Salamo 115 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra

1TOMPO ô, aza izahay, aza izahay

no omena voninahitra fa ny anaranao ihany,

noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao.

2Nahoana ny Jentilisa no miteny hoe:

Aiza izay Andriamaniny?

3Nefa any an-danitra Andriamanitsika;

efa nanao izay sitrapony rehetra Izy.

4Volafotsy sy volamena ny sampin’ireny,

asa nataon’ny tanan’olombelona.

5Manam-bava izy nefa tsy miteny;

mana-maso izy nefa tsy mahita;

6manan-tsofina izy nefa tsy mandre;

manana orona izy nefa tsy manimbolo;

7manan-tanana izy nefa tsy mandray;

manan-tongotra izy nefa tsy mandeha

ary tsy mahaloa-peo ny tendany.

8Ho tahaka azy izay manao azy

sy izay rehetra matoky azy.

9Ry Israely ô, matokia NY TOMPO;

heriny sy ampingany Izy.

10Ry taranak’i Arona ô, matokia NY TOMPO;

heriny sy ampingany Izy.

11Ianareo izay matahotra NY TOMPO, matokia NY TOMPO;

heriny sy ampingany Izy.

12Mahatsiaro antsika NY TOMPO ka mitahy;

hitahy ny taranak’Israely Izy;

hitahy ny taranak’i Arona Izy;

13hotahiny izay matahotra NY TOMPO,

na ny kely na ny lehibe.

14Hahamaro anareo anie NY TOMPO,

dia ianareo mbamin’ny zanakareo.

15Hitahy anareo anie NY TOMPO,

Mpanao ny lanitra sy ny tany.

16Ny lanitra dia lanitry NY TOMPO;

fa ny tany dia nomeny ho an’ny zanak’olombelona.

17Tsy mba hidera NY TOMPO ny maty,

na izay rehetra midina any amin’ny mangingina;

18fa izahay kosa dia hisaotra NY TOMPO

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help