Joba INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011
INDRAY MIJERYNy Bokin’i Joba no sangany amin’ireo literatiora manolotra fahendrena ary voasoratra amin’ny lahatsoratra mirindra tena kanto, afa-tsy ny Fitarihanteny sy ny teny famaranana izay lahatsoratra tsotra. Tsy voalaza anarana ny mpanoratra fa azo antoka fa isan’ireo olon-kendry na mpampianatra fahendrena, izay efa nisy hatry ny ela teo amin’ny Israely sy ny tany amin’ny firenena hafa koa. I Joba dia avy any Oza izay heverina ho any Edoma. Araka izany dia tsy Israeliana izy.Ny votoatin’ny BokyNy fanontaniana momba ny fijalian’ny marina dia efa nanitikitika ny olona tamin’ny fotoana rehetra. I Joba dia lehilahy marina, tena matahotra an’Andriamanitra ary nambinina, nefa niharan’ny fahoriana rehetra. Asehon’ny mpanoratra ny zava-mitranga any an-danitra: Ao ireo zanak’Andriamanitra, na ny anjely, izay manotrona an’Andriamanitra (jereo koa 2Mpa 22.19); tonga tany koa anefa i Satana izay miampanga an’i Joba ho mivavaka noho ny tombontsoa fotsiny. I Joba sy ireo namany anefa dia tsy mahafantatra an’izany rehetra izany.Tsy vahaolana ny fiampangan’izy efa-dahy an’i Joba hoe tsy maintsy ho nanao fahotana miafina izy na koa ny fanamarinan-tenan’i Joba izay milaza fa tsy misy fahadisoana ny tenany. Fa ny vahaolana asehon’ny tantara dia ny fanatrehan’i Joba an’Andriamanitra Tsitoha sady masina sy ny fietreny eo anatrehan’Andriamanitra.Ny firafitry ny BokyFitarihanteny: Ny nanjo an’i Joba sy ny zava-nitranga tany an-danitra: 1–2Teny ifamalian’i Joba sy ireo namany izay manolotra vahaolana tsy izy: 3–31Miditra an-tsehatra i Eliho miampanga an’i Joba: 32–37Miditra an-tsehatra NY TOMPO maneho ny heriny sy ny voninahiny eo amin’ny voahary, izay mampanetry tena an’i Joba: 38–42.5Famaranana: Miverina amin’i Joba ny fanambinana: 42.6-17