Malakia 2 - Malagasy Protestant Bible 2011

Didy ho an’ny mpisorona

1Ankehitriny ry mpisorona, ho anareo izao didy izao:

2Raha tsy mihaino Ahy ianareo,

raha tsy mandatsaka am-po

ka tsy manome voninahitra ny anarako ianareo,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

dia halefako hamely anareo ny ozona

ka hozoniko ny tsodrano ataonareo;

eny, efa voaozoko sahady izany

satria tsy nandatsaka am-po ianareo.

3Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo

ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo,

dia ny tain-droroha avy amin’ny andro firavoravoanareo;

ary hailika miaraka aminy ianareo.

4Dia ho fantatrareo

fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho

mba haharetan’ilay fanekeko tamin’i Levy,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

5Ny fanekeko taminy

dia fiainana sy fiadanana,

ary nomeko azy ho fahatahorana izany

ka natahotra Ahy

sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy.

6Ny lalànan’ny fahamarinana no teo am-bavany

ary tsy mba nisy tsy fahamarinana teo amin’ny molony;

tamin’ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko,

ary maro no niverina niala tamin’ny heloka.

7Fa ny molotry ny mpisorona

dia tokony hitahiry fahalalana,

ary ny lalàna dia hotadiavina eo am-bavany,

satria izy dia irak’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

8Fa efa nivily lalana kosa ianareo

sady nanafintohina olona maro ny amin’ny lalàna

ary namadika ilay fanekena tamin’i Levy,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

9Izaho kosa dia efa nanolotra anareo

ho fanimbazimba sy ho fanao tsinontsinona

eo anatrehan’ny vahoaka rehetra,

noho ny tsy nitandremanareo ny lalako

sy ny nizahanareo tavan’olona eo

amin’ny fampiharanareo ny lalàna.

Fivadihana amin’ny fanekena

10Tsy mpiombona ray va isika rehetra?

Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika?

Koa nahoana no samy mivadika amin’ny rahalahintsika avy isika

ka mamadika ny faneken’ny razantsika?

11Ny Joda dia efa namitaka,

ary misy fahavetavetana atao

ao amin’ny Israely sy eto Jerosalema.

Fa efa nandoto ny fitoera-masin’NY TOMPO izay tiany ny Joda: Nanambady ny zanakavavin’ny andriamanitra hafa izy.

12Enga anie ka hofongoran’NY TOMPO hiala amin’ny tranolain’i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

13Faharoan’izany, izao koa no ataonareo:

Saronanareo ranomaso sy fitomaniana

ary fisentoana ny alitaran’NY TOMPO

ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra

ary tsy hankasitraka na inona na inona avy amin’ny tananareo Izy.

14Nefa hoy ianareo: Nahoana?

Satria NY TOMPO no vavolombelona

ny aminao sy ny vadin’ny fahatanoranao

izay nofitahinao

na dia namanao

sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.

15Nahoana no nisy iray nanao izany

nefa mba manam-panahy ihany?

Taranaka araka an’Andriamanitra

anefa no notadiavin’ilay iray.

Koa tandremo ny fiainanareo

ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany.

16Fa halako ny fisaoram-bady,

hoy NY TOMPO, Andriamanitr’Israely,

halako ny fanosihosena ny fitafiany amin’ny fampahoriana,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

Koa tandremo ny fanahinareo

ary aza mamitaka ianareo.

Ny mpanambara fitsarana

17Efa manasatra NY TOMPO amin’ny teninareo ianareo,

nefa hoy ianareo:

Amin’inona moa no anasaranay Azy?

Amin’ny ilazanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy

dia tsara eo imason’NY TOMPO

ka ankasitrahany,

na amin’ny hoe: Aiza ny Andriamanitry ny fitsarana?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help