Salamo 42 - Malagasy Protestant Bible 2011

BOKY FAHAROATahaka ny diera main’ny hetahetaHo an’ny mpiventy hira. Maskila. Nataon’ny Koraìta.

1Tahaka ny diera main’ny hetaheta maniry ny rano an’ony

no anirian’ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô!

2Mangetaheta an’Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona;

rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan’Andriamanitra?

3Ny ranomasoko no sakafoko andro aman’alina,

amin’ny filazana amiko mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?

4Izao zavatra izao anefa no hotsarovako rehefa mamboraka ny fanahiko ato anatiko aho,

dia ny nandrosoako niaraka tamin’ny olona maro

sy ny nitarihako azy ho any amin’ny tranon’Andriamanitra,

tamin’ny feo mihoby sy midera,

dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.

5Nahoana ianao ry fanahiko no mitanondrika

ka mitoloko ato anatiko?

Manantenà an’Andriamanitra ianao!

Fa mbola hidera Azy ihany aho

noho ny famonjen’ny tavany.

6Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko.

Izany no ahatsiarovako Anao atỳ amin’ny tanin’i Jordana

sy ireo Hermona ary ny tendrombohitra Mizara.

7Ny lalina dia miantso ny lalina noho ny firohondrohon’ny rian-dranonao;

nanafotra ahy ny onjanao rehetra sy ny alondranonao.

8Handidy ny famindrampony NY TOMPO nony andro

ary hihira ho Azy aho rehefa alina.

Vavaka amin’Andriamanitra izay mamelona ahy izany.

9Hoy aho amin’Andriamanitra Vatolampiko:

Nahoana no nanadino ahy Ianao?

Nahoana no mandeha mijoretra aho

noho ny fampahorian’ny fahavaloko?

10Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan’ny fahavaloko ahy

amin’ny ilazany amiko isanandro hoe: Aiza izay Andriamanitrao?

11Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?

Nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?

Manantenà an’Andriamanitra!

Fa mbola hidera Azy ihany aho;

Izy no famonjena ahy sady Andriamanitro.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help