Hosea 11 - Malagasy Protestant Bible 2011

Andriamanitra, ray diso fanantenana noho ny nataon-janany

1Fony mbola zaza Israely dia tiako izy

ary nantsoiko hiala tany Ejipta ny zanako.

2Nony nisy niantso azy dia vao mainka izy nandositra ireny;

ho an’ireo Baala no namonoany zavatra hatao fanatitra

ary ho an’ny sarin-javatra voasokitra no nandoroany ditin-kazo manitra.

3Izaho no nampianatra an’i Efraima handeha;

eny, noraisiko tamin’ny tanany aza izy,

nefa odiany tsy fantatra fa Izaho no nikarakara azy.

4Tamin’ny tady fitarihana olona no nitarihako azy,

dia tamin’ny mahazakan’ny fitiavana.

Toy izay manainga ny zioga eo ambonin’ny valanoranony Aho

ka nanolo-kanina azy tsimoramora.

5Tsy hiverina ho any amin’ny tany Ejipta izy,

fa i Asiria no ho mpanjakany,

satria tsy nety nibebaka izy.

6Hisy sabatra hihodinkodina ao an-tanànany

ka handrava ny manodidina

ary handevona azy

noho ny fikasana nananany.

Ny fitiavan’Andriamanitra no handresy

7Minia mikomy Amiko ny oloko;

ary na dia antsoina ho amin’ny Avo aza izy

dia tsy misy mety mitsangana akory.

8Hataoko ahoana re no fahafoy anao, ry Efraima?

Na ho fanolotra anao, ry Israely?

Hataoko ahoana re no fitondra anao ho tahaka an’i Adma?

Hataoko tahaka an’i Zeboima va ianao?

Onena ny foko,

mafy loatra ny alaheloko.

9Tsy hampirehitra ny hatezerako Aho

na handringana an’i Efraima intsony

satria tsy olona Aho

fa Andriamanitra,

dia ny Iray Masina ao aminao,

ka tsy ho avy amin’ny fahatezerana mirehitra Aho.

10Hanaraka NY TOMPO ireny;

hierona toy ny liona Izy;

eny, Izy no hierona,

dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.

11Hanatona amin-kovitra avy any Ejipta toy ny voronkely izy

ary avy any amin’ny tany Asiria toy ny voromailala;

dia hampitoeriko ao an-tranony izy,

hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help