Jeremia 21 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny valintenin’NY TOMPO amin’i Zedekia mpanjaka

1Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, fony i Zedekia mpanjaka naniraka an’i Pasora, zanak’i Malkia, sy i Zefania, zanak’i Mahaseia mpisorona, hankany aminy hilaza hoe:

2Miangavy anao aho, manontania amin’NY TOMPO ho anay; fa miady aminay i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona; angamba NY TOMPO hiteny aminay araka ny asany mahagaga rehetra, mba hialan’ireo aminay.

3Dia hoy i Jeremia taminy: Lazaonareo amin’i Zedekia hoe:

4Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Indro, haveriko ny fiadiana eny an-tananareo izay entinareo miady eny ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilona sy amin’ny Kaldeana izay manao fahirano anareo, ka hangoniko eto afovoan’ity tanàna ity ireo.

5Ary Izaho no hiady aminareo amin’ny tanana mitsotra sy amin’ny sandry mahery ary amin’ny fahavinirana sy ny fisafoahana ary ny fahatezerana mirehitra.

6Hamely ny mponina amin’ity tanàna ity Aho, na olona, na biby: Ho fatin’ny areti-mandringana izy.

7Ary rehefa afaka izany, hoy NY TOMPO, i Zedekia, mpanjakan’ny Joda, sy ny mpanompony mbamin’ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ny areti-mandringana sy ny sabatra ary ny mosary amin’ity tanàna ity, dia hatolotro eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona sy eo an-tanan’ny fahavalony ary eo an-tanan’izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ny lelan-tsabatra ireo fa tsy hitsitsy, na hiantra azy, na hamindra fo aminy.

8Ary ity firenena ity dia hilazanao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, ataoko eo anoloanareo ny lalan’ny fiainana sy ny lalan’ny fahafatesana:

9Izay mbola mitoetra eto amin’ity tanàna ity ihany dia ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana; fa izay mivoaka hanatona ny Kaldeana izay manao fahirano anareo kosa dia ho velona ka ny ainy no ho babony.

10Fa manandrina ity tanàna ity Aho hahatonga loza aminy, fa tsy soa, hoy NY TOMPO; hatolotro eo an-tanan’ny mpanjakan’i Babilona izy ka hodorany amin’ny afo.

Hafatra ho an’ny fianakavian’ny mpanjakan’ny Joda

11Henoy ny tenin’NY TOMPO

ny amin’ny taranaky ny mpanjakan’ny Joda sy ny mpianakaviny.

12Ry taranak’i Davida, izao no lazain’NY TOMPO:

Manaova fitsarana marina isa-maraina

ka afaho amin’ny tanan’ny mpampahory ny olona norobaina,

fandrao hivoaka toy ny afo ny fahatezerako ary hirehitra

ka tsy hisy hahavono noho ny ratsy ataonareo.

13Indro, hohatoniko ianao,

ry mponina an-dohasaha,

dia eo amin’ny vatolampy amin’ny tany lemaka,

hoy NY TOMPO,

dia ianareo izay milaza hoe: Iza moa no sahy hidina hamely anay?

Ary iza no sahy hiditra atỳ amin’ny fonenanay?

14Fa hamaly anareo

araka ny vokatry ny asanareo Aho,

hoy NY TOMPO,

ary handrehitra afo ao amin’ny alany

ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help