Mika 6 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny adin’NY TOMPO amin’ny olony

1Miangavy anareo aho, mihainoa izay lazain’NY TOMPO:

Mitsangàna, mandahara eo anoloan’ny tendrombohitra,

ary aoka ho ren’ny havoana ny feonao!

2Mihainoa ny adin’NY TOMPO ianareo, ry tendrombohitra

sy ianareo, ry fanorena-matezan’ny tany.

Fa NY TOMPO manana ady amin’ny olony,

eny, amin’ny Israely no ifandaharany.

3Ry oloko, inona no nataoko taminao?

Inona no nanasarako anao?

Tondroy maso ary Aho.

4Fa nentiko niakatra avy tany amin’ny tany Ejipta ianao

sady navotako avy tao amin’ny trano nanandevozana.

Dia nirahiko hitarika anao i Mosesy sy i Arona ary i Miriama.

5Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon’i Balaka, mpanjakan’i Moaba,

sy izay navalin’i Balama, zanak’i Beora, azy,

ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala,

hahafantaranareo ny asa marina nataon’NY TOMPO.

Izay tadiavin’NY TOMPO amin’ny olona

6Inona no hoentiko manatona NY TOMPO

sy miondrika eo anatrehan’Andriamanitra izay any amin’ny avo?

Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana manontolo

sy ombilahy kely izay iray taona va aho?

7Ho sitraky NY TOMPO va ny ondrilahy arivoarivo,

na renirano diloilo iray alina?

Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho,

na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan’ny tenako?

8Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara

sy izay ilain’NY TOMPO aminao,

dia izao ihany: Ny hanao ny rariny sy ny ho tia famindrampo

ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.

Faizin’NY TOMPO ny fanaovana fitaka sy herisetra

9Manaitra ny tanàna ny feon’NY TOMPO

ary mahita ny anaranao ny hendry;

henoinareo ny tsorakazo sy izay nanendry azy!

10Mbola misy rakitry ny harena azo tamin’ny tsy rariny ihany va

ao an-tranon’ny ratsy fanahy

na misy efaha tsy ampy famarana ao, izay mahatonga fahatezerana?

11Mety madio va aho raha manana mizana mandainga

sy kitapo misy vatomizana tsy marina?

12Feno hetraketraka ny mpanankarenany,

miteny lainga ny mponina ao aminy

ary ny lelany ao am-bavany dia fitaka avokoa.

13Izaho kosa dia hikapoka maharary anao

ka handringana anao noho ny helokao.

14Ary ianao dia hihinana nefa tsy ho voky,

fa mbola ho ao anatinao ihany ny hanoananao;

hanokana ho tahiry ianao nefa tsy hahita toerana azo antoka hasiana azy,

ary izay sendra voatahirinao aza dia hatolotro ho amin’ny sabatra.

15Ianao dia hamafy nefa tsy hijinja;

ianao dia hanosihosy oliva nefa tsy hihosotra diloilo,

ary hanosihosy ranom-boaloboka nefa tsy hisotro divay.

16Fa fatra-pitandrina ny lalànan’i Omry

sy ny asan’ny taranak’i Ahaba rehetra ianareo,

sady manaraka ny toroheviny;

noho izany no hanolorako anao ho amin’ny faharavana

ary ny mponina ao aminao dia ho zavatra mampisitrisitra

ka hitondra ny latsan’ny oloko ianareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help