1Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro ka indro
ny ranomason’ny ampahorina nefa tsy misy izay mampionona azy;
hery no eo anilan’ny mpampahory azy nefa tsy misy izay mampionona azy.
2Ny maty izay efa maty ela dia heveriko fa sambatra noho ny velona izay mbola velona,
3nefa sambatra indray noho ny maty sy ny velona aza izay tsy mbola ary akory ka tsy mahita ny ratsy atao etỳ ambanin’ny masoandro.
Aleo miala sasatra toy izay miasa4Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahombiazana rehetra fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona ireny. Zava-poana sy sambo-drivotra koa izany.
5Ny adala dia mamihin-tanana ka homana ny tenany.
6Tsara ny fialan-tsasatra eran’ny tanana an’ila
noho ny fisasarana eran’ny tanana roa nefa sambo-drivotra foana.
Aleo roa toy izay tokana7Ary izao koa no zava-poana hitako etỳ ambanin’ny masoandro:
8Misy olona mitoetra irery ka tsy mana-namana,
tsy manan-janaka, tsy manana rahalahy aza,
nefa tsy misy farany ny fisasarany samihafa
ary ny masony dia tsy afa-po amin’ny harena
ka ilazany hoe: Ho an’iza no isasarako sy tsy ananako fahasambarana?
Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
9Tsara ny roa noho ny iray fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10Raha misy lavo dia arenin’ny namany;
fa mahantra ny tokana izay lavo nefa tsy manana namana hanarina azy.
11Ary koa,
raha miara-mandry ny roa dia mafana izy;
fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa kosa dia tsy ho leony;
ny mahazaka telo olana dia tsy mora tapahina.
Ny amin’ny fahefana politika13Aleo zatovo mahantra nefa hendry
toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony,
14na dia avy tao an-tranomaizina aza no nivoahany hanjaka
ary na dia tao anatin’ny fahantrana aza no nahaterahany hitondra ny fanjakany.
15Hitako ny miaina rehetra izay mandeha etỳ ambanin’ny masoandro,
manotrona ilay zazalahy izay mitsangana handimby ny efa teo.
16Tsy hita isa ny fitambaran’ny vahoaka,
dia izay rehetra anjakany;
nefa izay ho avy any aoriana dia tsy mba hahita fifaliana aminy.
Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra.
Tsy mahery miteny loatra eo anatrehan’Andriamanitra17Tandremo ny tongotrao raha mankao amin’ny tranon’Andriamanitra ianao;
fa ny manatona hihaino no tsara
noho ny fanateran’ny adala fanatitra
satria tsy fantatr’ireny akory fa ratsy ny ataony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.