Filemona INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYIty no epistily fohy indrindra amin’ireo epistily nosoratan’i Paoly. Manaitra ny fifandraisana am-po hita eo amin’ny mpanoratra sy ny anoratana, dia i Filemona sy ny Fiangonana mivory ao an-tranony.Iray amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana i Filemona. Nandositra ny mpanompony iray, dia i Onesimosy, ka nankany Roma ary tafahaona tamin’i Paoly. Niova fo, nanjary Kristiana, i Onesimosy ka tonga rahalahy mahatoky sy malala tamin’i Paoly (Kol. 4.9).Niarakaraka tamin’ny epistily ho an’ny Kolosiana no nanoratan’i Paoly ity epistily ity, izany hoe raha mbola tany an-tranomaizina tany Roma izy. Nampitondrainy an’i Epafra ny taratasy.Ny votoatin’ny EpistilyManoratra ho an’i Filemona momba an’i Onesimosy i Paoly. Mamerina azy ho any amin’i Filemona izay tompony taloha izy ary mangataka azy mba horaisiny am-pitiavana i Onesimosy, tahaka ny nandraisany an’i Paoly ho namany. Ny mba hanaovan’i Filemona mihoatra noho izany aza no irin’i Paoly satria, ao amin’i Kristy, dia manjary fifandraisan’ny mpirahalahy ny fifandraisan’ny tompo sy ny andevony teo aloha. «Tsy misy intsony na andevo na olona afaka» (Gal 3.28).Ny firafitry ny EpistilyMisaotra an’Andriamanitra noho ny fitiavana sy ny finoan’i Filemona i Paoly: And 1-7Mangataka amin’i Filemona i Paoly mba handraisany an’i Onesimosy, rahalahy ao amin’ny Tompo: And 8-20
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help