1Ary NY TOMPO niteny tamin’i Mosesy tany an-tany efitr’i Sinay, tao amin’ny tranolay fihaonana, tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa, tamin’ny taona faharoa taorianan’ny nivoahan’ny Zanak’Israely avy tany amin’ny tany Ejipta. Hoy NY TOMPO taminy:
2Alao isa ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anaran’ny lehilahy tsirairay,
3dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika amin’ny Israely. Handamina azy araka ny antokony avy ianao sy i Arona.
4Aoka hisy lehilahy iray avy isam-poko ho namanareo, dia izay samy lohan’ny fianakaviany avy.
5Toy izao avy ny anaran’ireo lehilahy ho namanareo ireo.
Ny avy amin’i Robena dia i Elizora, zanak’i Sedeora;
6ny avy amin’i Simeona dia i Selomiela, zanak’i Zorisaday;
7ny avy amin’i Joda dia i Nasona, zanak’i Aminadaba;
8ny avy amin’Isakara dia i Netanela, zanak’i Zoara;
9ny avy amin’i Zebolona dia i Eliaba, zanak’i Helona;
10ny avy amin’ny zanak’i Josefa kosa: Ny avy amin’i Efraima dia i Elisama, zanak’i Amihoda, ary ny avy amin’i Manase dia i Gamaliela, zanak’i Pedazora;
11ny avy amin’i Benjamina dia i Abidana, zanak’i Gideony;
12ny avy amin’i Dana dia i Ahiezera, zanak’i Amisaday;
13ny avy amin’i Asera dia i Pagiela, zanak’i Okrana;
14ny avy amin’i Gada dia i Eliasafa, zanak’i Deoela;
15ny avy amin’i Naftaly dia i Ahira, zanak’i Enana.
16Ireo no voaantso teo amin’ny fiangonana, samy lohan’ny fokony avy sady mpifehy arivo amin’ny Israely.
17Ary naka ireo olona voatonona anarana ireo i Mosesy sy i Arona
18dia namory ny fiangonana manontolo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana faharoa. Samy nampanoratra ny firazanany avy izy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
19Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nandaminany azy tany amin’ny tany efitr’i Sinay.
20Dimanjato sy enina arivo sy efatra alina ny avy tamin’ny taranak’i Robena, lahimatoan’Israely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izay azo alefa hanafika,
21ary voaisa avy tamin’ny fokon’i Robena.
22Tamin’ny taranak’i Simeona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voaisa, araka ny anaran’ny tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, izay azo alefa hanafika,
23izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Simeona dia telonjato sy sivy arivo sy dimy alina.
24Tamin’ny taranak’i Gada, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
25izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Gada kosa dia dimampolo sy eninjato sy dimy arivo sy efatra alina.
26Tamin’ny taranak’i Joda, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
27izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Joda dia eninjato sy efatra arivo sy fito alina.
28Tamin’ny taranak’Isakara, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
29izay voaisa avy tamin’ny fokon’Isakara dia efajato sy efatra arivo sy dimy alina.
30Tamin’ny taranak’i Zebolona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
31ny voaisa avy tamin’ny fokon’i Zebolona dia efajato sy fito arivo sy dimy alina.
32Tamin’ny taranak’i Josefa: Avy tamin’ny taranak’i Efraima, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
33izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Efraima dia dimanjato sy efatra alina.
34Tamin’ny taranak’i Manase, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
35izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Manase dia roanjato sy telo arivo sy telo alina.
36Tamin’ny taranak’i Benjamina, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
37izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia efajato sy dimy arivo sy telo alina.
38Tamin’ny taranak’i Dana, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
39izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Dana dia fitonjato sy roa arivo sy enina alina.
40Tamin’ny taranak’i Asera, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
41izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Asera dia dimanjato sy arivo sy efatra alina.
42Tamin’ny taranak’i Naftaly, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika,
43izay voaisa avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia efajato sy telo arivo sy dimy alina.
44Ireo no voaisan’i Mosesy sy i Arona ary ireo mpifehy roa amby folo lahy tamin’ny Israely, izay samy lohan’ny fianakaviany avy.
45Ary izay rehetra voaisa avy tamin’ny Zanak’Israely araka ny fianakaviany, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika avy amin’ny Israely,
46izay rehetra voaisa dia dimampolo sy dimanjato sy telo arivo sy enina hetsy.
47Tsy mba nisaina tao anatin’ireo kosa ny levita, araka ny fokony.
Ny anjara asa manokana ho an’ny fokon’i Levy48Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy:
49Ny fokon’ny levita ihany no aza isaina, aza mba alaina isa miaraka amin’ny Zanak’Israely izy ireo.
50Fa tendreonao ny levita hitandrina ny tabernakelin’ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy. Izy ireo no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra, ary izy ireo no hanao fanompoana ao; manodidina ny tabernakely no hitobiany.
51Rehefa hiainga ny tabernakely dia ny levita no handrava azy; rehefa mijanona ny tabernakely dia ny levita no hanangana azy indray; fa raha olon-kafa no manakaiky dia hovonoina izy.
52Dia hitoby ny Zanak’Israely, samy eo amin’ny tobiny avy, samy eo amin’ny fanevany avy, araka ny antokony.
53Fa ny levita kosa dia hitoby manodidina ny tabernakelin’ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ny Zanak’Israely; ny levita dia hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ny Vavolombelona
54Dia nataon’ny Zanak’Israely izany. Araka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataony.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.