Jeremia 14 - Malagasy Protestant Bible 2011

Vavak’i Jeremia nandritra ny hain-tany

1Ny tenin’NY TOMPO izay tonga tamin’i Jeremia noho ny hain-tany.

2Misaona ny Joda

ary mivalaketraka ny tanànany;

mitafy lamba fisaonana izy ka mipetraka amin’ny tany;

ary miakatra ny fitarainan’i Jerosalema.

3Maniraka ny madinika hantsaka rano ny lehibeny;

dia tonga any amin’ny lavaka famorian-drano ireny, nefa tsy mahita rano

ka miverina mitondra siny tsy misy rano;

menatra sy mangaihay izy

ka misaron-doha.

4Noho ny fangentan’ny tany,

noho ny tsy nilatsahan’ny ranonorana taminy

dia menatra ny mpiasa

ka misaron-doha.

5Ary na dia ny dieravavy any an-tsaha aza, rehefa miteraka,

dia mandao ny zanany

noho ny tsy fisian’ny ahi-maitso.

6Ary mijanona eny an-tendrombohitra mangadihady ny borikidia,

mihanahana maniry ny rivotra toy ny amboadia izy;

jambena ny masony

noho ny tsy fisian’ny ahitra.

7TOMPO ô, na dia miampanga anay aza ny helokay

dia miasà ihany Ianao noho ny anaranao;

fa be ny fikomianay;

taminao no nanotanay.

8Ry fanantenan’ny Israely ô,

mpamonjy azy amin’ny andro fahoriana!

Nahoana Ianao no dia toy ny vahiny amin’ny tany

ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?

9Nahoana Ianao no dia toy ny olona ankona

ary toy ny lehilahy mahery tsy mahavonjy?

Nefa mbola ato aminay ihany Ianao, RY TOMPO ô,

ary ny anaranao dia efa nantsoina taminay;

aza dia mandao anay.

Mandà ny hihaino ny vavak’i Jeremia Andriamanitra

10Izao no lazain’NY TOMPO amin’ity firenena ity: Tiany ny mirenireny ka tsy mahajanona ny tongony; tsy sitraky NY TOMPO izy. Ankehitriny dia tsaroany ny helony ary valìny ny fahotany.

11Dia hoy NY TOMPO tamiko: Aza mivavaka ho an’ity firenena ity hahasoa azy.

12Fa na dia mifady hanina aza izy dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; ary na dia manolotra fanatitra dorana manontolo sy fanatitra avy amin’ny zavamaniry aza izy dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.

13Dia hoy aho hoe: Indrisy, RY TOMPO Andriamanitra ô! Indreo ny mpaminany miteny aminy hoe: Tsy hiharan’ny sabatra ianareo ary tsy ho mosarena; fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ity toerana ity ianareo.

14Dia hoy NY TOMPO tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ny anarako; tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinontsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.

15Koa izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay maminany amin’ny anarako ireo, nefa tsy nirahiko akory, ary milaza fa tsy hisy sabatra sy mosary eto amin’ity tany ity: Ny sabatra sy ny mosary indrindra no handringanana ireo mpaminany ireo.

16Ary ny firenena izay aminanian’ireo koa dia hiely eny an-dalamben’i Jerosalema noho ny mosary sy ny sabatra ny fatiny ka tsy hisy mpandevina ireny, na ny tenany na ny vadiny na ny zanany lahy na ny zanany vavy; haidiko ao aminy ny faharatsiany.

Mifona ho an’ny fahadisoan’ny fireneny i Jeremia

17Koa lazao aminy izao teny izao:

Hijononoka andro aman’alina ny ranomasoko ka tsy hitsahatra;

fa ny oloko, zanakavavy virijiny,

dia naratra mafy tokoa

tamin’ny kapoka tena maharary.

18Raha mankany an-tsaha aho

dia indreny ny matin-tsabatra!

Ary raha miditra ao an-tanàna kosa aho

dia indreo ny anan’ny mosary!

Eny, ny mpaminany sy ny mpisorona dia mandeha mirenireny manerana ny tany

ka tsy mahalala na inona na inona.

19Efa narianao tokoa va i Joda?

Efa naharikoriko ny fanahinao va i Ziona?

Nahoana no dia mikapoka anay Ianao

ka tsy mety sitrana izahay?

Nanantena fiadanana izahay,

kanjo tsy nahita soa;

ary niandry andro fanasitranana,

nefa indro fampitahorana.

20TOMPO ô, tsaroanay ny faharatsianay

sy ny heloky ny razanay

fa efa nanota Taminao izahay.

21Noho ny amin’ny anaranao dia aza arianao izahay;

aza atao ho tsinontsinona ny sezafiandrianan’ny voninahitrao;

tsarovy ka aza tsoahanao ny fanekenao taminay.

22Mba misy mahalatsaka ranonorana va

ireny sampin’ny Jentilisa ireny?

Na koa mahay mandatsaka ranonorana mivatravatra va ny lanitra?

Fa tsy Ianao ihany va no Izy, RY TOMPO Andriamanitray ô?

Koa manantena Anao izahay,

satria Ianao no nanao ireo zavatra rehetra ireo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help