1Dia nisy loholon’ny Israely tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako.
2Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
3Ry zanak’olona, ireto olona ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony, ary ny fahatafintohinana mahameloka azy dia apetrany eo anoloany. Moa hanaiky hanontanian’ireto va Aho?
4Koa mitenena aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ny amin’ny olona rehetra amin’ny taranak’Israely izay mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany ary manatona ny mpaminany, Izaho TOMPO no hamaly azy araka ny habetsaky ny sampiny,
5mba hisamborako ny taranak’Israely amin’ny fony satria efa nihemotra niala Tamiko izy rehetra noho ny sampiny.
6Koa lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Mibebaha, dia mialà amin’ny sampinareo sy ny fahavetavetanareo rehetra; eny, mialà aminy.
7Fa na iza na iza amin’ny taranak’Israely, na amin’ny vahiny izay mivahiny eo amin’ny Israely, no misaraka Amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony ary mametraka ny fahatafintohinana mahameloka azy eo anoloany sady manatona ny mpaminany hanontany Amiko, dia ny tenako, Izaho TOMPO ihany no hamaly azy.
8Hanandrina izany olona izany ny tavako ka hataoko mahita loza izy mba ho famantarana sy ho oha-teny, ary hofongorako tsy ho eo amin’ny oloko izy dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
9Ary raha misy voataona ny mpaminany ka milaza zavatra dia Izaho TOMPO no nitaona izany mpaminany izany; hatsotrako aminy ny tanako ka hofongorako tsy ho eo amin’ny Israely oloko izy.
10Hitondra ny heloky ny tenany izy; ny heloky ny mpaminany dia hitovy amin’ny helok’izay manontany aminy koa,
11mba tsy hialan’ny taranak’Israely Amiko intsony ary tsy handotoany ny tenany intsony amin’ny fahadisoany rehetra; fa ho oloko izy ary Izaho ho Andriamaniny, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Tsy ho hay sakanana ny fitsaran’Andriamanitra12Tonga tamiko indray ny tenin’NY TOMPO hoe:
13Ry zanak’olona, raha misy tany manota Amiko ka manao izay mahadiso, ary atsotrako aminy ny tanako ka tapahiko ny mofo tohan’ainy sady andefasako mosary, ary aringako avokoa ny olona sy ny biby,
14ary na dia ao aza ireto telo lahy ireto, dia i Noa sy i Daniela ary i Joba, dia ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
15Raha mampandeha biby masiaka eo amin’ny tany Aho ka mandringana ny zana-bahoaka ireny, ary lao ny tany ka tsy azon’olona aleha noho ny biby,
16na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy izy; ny tenany ihany no ho voavonjy, fa ny tany kosa ho lao.
17Ary raha mahatonga sabatra mamely izany tany izany Aho ka miteny hoe: Aoka hotetezin-tsabatra ny tany ka hofongorako izy, na ny olona na ny biby,
18na dia ao aza ireo telo lahy ireo, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjy.
19Ary raha mandefa areti-mandringana mamely izany tany izany Aho sady aidiko aminy ny fahatezerako amin’ny fandatsahan-dra mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,
20na dia ao aza i Noa sy i Daniela ary i Joba, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, dia tsy hahavonjy ny zanany lahy na ny zanany vavy ireo, fa ny tenany ihany no ho voavonjiny noho ny fahamarinany.
21Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Koa mainka raha alefako hamely an’i Jerosalema ireto fitsarako efatra mandoza ireto, dia ny sabatra sy ny mosary ary ny biby masiaka sy ny areti-mandringana, mba hahafongotra azy, na olona na biby!
22Kanefa indro, hisy sisa afaka ihany izy hoentina mivoaka, dia ny zanakalahy sy ny zanakavavy. Indro, hivoaka ho any aminareo ireo ka ho hitanareo ny alehany sy ny ataony, dia hionona ianareo noho ny amin’ny loza rehetra izay nataoko mihatra amin’i Jerosalema, dia izay rehetra nataoko mihatra aminy.
23Eny, hampionona anareo ireo, rehefa hitanareo ny alehany sy ny ataony dia ho fantatrareo fa tsy nataotaoko foana izay rehetra nataoko taminy, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.