Salamo 138 - Malagasy Protestant Bible 2011

Midera Anao amin’ny foko manontolo ahoNataon’i Davida.

1Midera Anao amin’ny foko manontolo aho;

eo anatrehan’ireo andriamanitra no ankalazako Anao amin’ny hira.

2Miankohoka manandrify ny tempolinao masina aho

ka midera ny anaranao

noho ny famindramponao sy ny fahamarinanao;

fa efa nomenao voninahitra ho ambonin’ny zavatra rehetra ny anaranao sy ny teninao.

3Tamin’ny andro nitarainako dia namaly ahy Ianao;

nomenao fahasahiana aho ka nahazo hery ny fanahiko.

4TOMPO ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin’ny tany

fa handre ny tenin’ny vavanao izy.

5Eny, hihira ny amin’ny lalan’NY TOMPO izy,

fa lehibe ny voninahitry NY TOMPO.

6Fa na dia avo aza NY TOMPO dia mijery ny manetry tena

ary ny mpiavonavona dia fantany eny lavitra eny.

7Na dia handeha ao anatin’ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Ianao;

hanatsotra ny tananao hanohitra ny fahatezeran’ny fahavaloko Ianao

ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.

8NY TOMPO no hahatanteraka ny momba ahy rehetra;

TOMPO ô, mandrakizay ny famindramponao.

Aza mahafoy ny asan’ny tananao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help