Isaia 46 - Malagasy Protestant Bible 2011

Entina ireo andriamanitra, fa mitondra kosa Ilay tena Andriamanitra

1Mangozohozo i Bela,

miraika i Nebo;

ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy;

ianareo no tokony hitondra izany nefa novesaranareo azy

ka tonga enta-mavesatra entin’ny biby reraka!

2Miraika sy mangozohozo avokoa izy ireo

ka tsy mahavonjy ny entana akory;

fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.

3Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba

sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Israely,

ianareo izay noentina hatrany an-kibo

sy notrotroina hatramin’ny vao teraka:

4Na dia mandra-pahantitrareo aza dia tsy miova Aho,

ary mandra-pahafotsy volo anareo dia Izaho ihany no hisahirana hitondra anareo;

Izaho no nanao ka Izaho ihany no hitrotro;

eny, Izaho no hitondra sy hanafaka.

5Hampitovianareo amin’iza moa Aho,

ary amin’iza no hanoharanareo Ahy?

Iza no hataonareo ho tahaka Ahy

mba hitahany Amiko?

6Mandraraka volamena avy ao an-kitapo izy

sady mandanja volafotsy amin’ny mizana

dia manakarama mpanefy volamena

mba hanao izany ho andriamanitra

hiankohofany sy hivavahany.

7Dia batainy iny

ka entiny eny an-tsorony

ary apetrany eo amin’ny fitoerany.

Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny!

Na dia misy mitaraina aminy aza

dia tsy mahay mamaly izy

na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.

8Tsarovy izany

ka misehoa ho lehilahy ianareo!

Eritrereto tsara izany, ry mpikomy!

9Tsarovy ny zavatra taloha izay efa lasa ela;

fa Izaho no Andriamanitra

ka tsy misy hafa;

Izaho no Andriamanitra

ka tsy misy tahaka Ahy,

10izay manambara hatramin’ny voalohany

ny zavatra ho avy any aoriana,

ary nanambara hatramin’ny ela

izay tsy mbola natao akory.

Ilay miteny hoe: Ho to ny fikasako,

ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.

11Miantso vorona mpihaza avy any atsinanana Aho,

dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako.

Sady niteny izany Aho

no mahatanteraka azy koa,

sady nikasa Aho

no mahefa azy.

12Mihainoa Ahy, ianareo tsy laitra anarina,

izay lavitra ny fahamarinana!

13Hampanatoniko ny fahamarinako

ka tsy ho lavitra intsony;

ary tsy hitaredretra ny famonjeko.

Fa hametraka famonjena ao Ziona Aho

ary ny voninahitro ho an’ny Israely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help