Joba 24 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny teny navalin’i Joba (tohiny): Avelan’Andriamanitra hanao ny ataony ny ratsy fanahy

1Nahoana no tsy misy fotoanandro voatendrin’ny Tsitoha,

ary nahoana no tsy hitan’ny mahalala Azy izany androny izany?

2Misy mamindra ny fanamarihana ny sisintanin’olona

sy mangalatra omby aman’ondry sady miandry azy.

3Mandroaka ny borikin’ny kamboty izy ireny

ary maka ny ombin’ny mpitondratena ho antoka.

4Manosika ny mahantra hiala amin’ny lalana izy

ka miery azy avokoa ny ory amin’ny tany.

5Indro, tahaka ny fivoakan’ny borikidia any an-tany efitra

no fiaingan’ny mahantra amin’ny masoandro miposaka ho amin’ny asany mba hiremby;

ny tany ngazana no ahazoany hanina ho an’ny zanany.

6Any an-tsaha izy ireny no maka vilona

sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.

7Mandry mitanjaka amin’ny alina izy satria tsy manan-damba

sady tsy manana firakotra ho amin’ny hatsiaka;

8kotsan’ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy

ka mitampisaka amin’ny vatolampy satria tsy manam-pialofana.

9Sarihina eo am-pinonoana ny kamboty

ary akana antoka ny ory.

10Mandeha mitanjaka izy ireny fa tsy manan-kitafy

ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary;

11manamboatra diloilo any amin’ny sahan’ny hafa izy;

manosihosy ny famiazam-boaloboka izy

nefa mangetaheta ihany.

12Mitrona ny miala aina ao an-tanàna

ary mitaraina ny fanahin’ny voalefona;

nefa tsy ahoan’Andriamanitra akory ny ratsy mitranga!

13Ireny no mpikomy amin’ny mazava;

tsy mba mihevitra ny lalany izy

na mitoetra eo amin’ny alehany.

14Raha vao mangiran-dratsy dia mifoha ny mpamono olona;

mamono ny ory sy ny malahelo izy;

nony alina izy dia tahaka ny mpangalatra.

15Ny mason’ny mpijangajanga dia miandry ny maizimaizina

ka hoy izy: Tsy misy hahita ahy,

dia manisy sarona ny tavany izy.

16Misy mamaky trano nony maizina;

nefa nony antoandro dia miery izy;

tsy mahalala ny mazava izy.

17Amin’izy rehetra dia aloky ny fahafatesana ny maraina

satria hitany ao ny fampahatahoran’ny aloky ny fahafatesana.

18Mitsinkafona paohin’ny rano izy;

voaozona ny fonenany eo amin’ny tany;

tsy mivily ho amin’ny lalana mankeny amin’ny tanim-boaloboka izy.

19Toy ny andevonan’ny andro maina sy ny andro mafana ny rano avy amin’ny orampanala

no andevonan’ny fitoeran’ny maty ny mpanota.

20Manadino azy ny kibo nitondra azy;

manjary hanim-py ho an’ny olitra izy

ka tsy tsarovana intsony!

Tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy,

21dia ilay mikarakara ny momba izay tsy niteraka

nefa tsy mba manisy soa ny mpitondratena.

22Kanefa halavain’Andriamanitra amin’ny heriny ny andron’ny olo-mahery;

mitsangana indray ireo na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.

23Ataony mandry fehizay sy tsara tohana izy

sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.

24Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy eo intsony;

midaboka toy ny amboara jinjaina rehetra izy

ary tangosana tahaka ny salohim-bary.

25Raha tsy izany dia iza no hamaky lainga ahy

ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help