1 Haleloia.
Mihirà fihiram-baovao ho an’NY TOMPO;
manaova hira fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina.
2Aoka hifaly amin’ny Mpanao azy ny Israely;
aoka hiravoravo amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona.
3Aoka hidera ny anarany amin’ny dihy izy
ary hankalaza Azy amin’ny ampongatapaka sy ny lokanga.
4Fa sitraky NY TOMPO ny olony,
ravahany famonjena ny mpandefitra.
5Aoka hiravoravo amin’ny voninahitra ny olona masina;
aoka hihoby tsara eo am-pandrianany izy.
6Aoka hisy fanandratana an’Andriamanitra eo am-bavany
ary sabatra roa lela eny an-tanany,
7hamaliany ny Jentilisa
sy hamaizany ny firenena maro,
8hamatorany ireo mpanjakany amin’ny gadra,
sy ny olo-malazany amin’ny gadra vy,
9mba hanaovany ny fitsarana voasoratra:
voninahitry ny olony masina rehetra izany.
Haleloia.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.