Jeremia 5 - Malagasy Protestant Bible 2011

Faharatsiam-pitondrantena ao Jerosalema

1Mandehandehana eny an-dalamben’i Jerosalema ianareo

ka zahao sy fantaro

ary tadiavo eny amin’ny kianja,

fa raha mba misy olona hitanareo,

izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny,

dia havelako ny helok’i Jerosalema.

2Ary na dia misy aza miteny hoe:

Raha velona koa NY TOMPO

dia fianianana mandainga izany.

3TOMPO ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao?

Namely azy Ianao,

nefa tsy nahatsiaro narary izy;

nandripaka azy Ianao,

nefa tsy nety nino anatra izy;

nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny,

tsy nety niverina Taminao izy.

4Dia hoy aho hoe: Olona mahantra ireto;

adala izy

fa tsy mahalala ny lalan’NY TOMPO,

na ny fitsipik’Andriamaniny;

5Aleoko mandeha ho any amin’ny lehibe

ka hiteny aminy;

fa ireny dia mahalala ny lalan’NY TOMPO

sy ny fitsipik’Andriamaniny;

kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga

sy namaha fatorana.

6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ala

ary mandringana azy ny amboadia avy any an-tany efitra;

miandry hamely ny tanànany ny leoparda,

koa izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina;

fa efa maro ny fahadisoany,

ary fatratra ny fikomiany.

7Koa nahoana Aho no hamela ny helokao?

Efa nahafoy Ahy ny zanakao

ka nianiana tamin’izay tsy Andriamanitra;

novokisako izy, nefa nijangajanga ihany

ka nirohotra niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga.

8Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’izay tiany,

samy naneno tamin’ny vadin’ny namany avy.

9Tsy hovaliko va izy amin’izany?

Hoy NY TOMPO;

ary tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?

10Miakara ao amin’ny tanim-boalobony ianareo ka poteho,

nefa aza dia levonina avokoa izy;

esory ny rantsany

satria tsy an’NY TOMPO ireny.

11Fa efa nivadika Tamiko mihitsy ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda,

hoy NY TOMPO.

12Nahafoy NY TOMPO izy ireo

ka niteny hoe: Tsy Izy no izy;

tsy hisy loza hanjo antsika

ary tsy hahita sabatra na mosary isika.

13Hanjary rivotra ny mpaminany

ary tsy hisy ny teny ao aminy,

eny, izany no hanjo azy.

14Koa izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao:

Noho ny nitenenanareo izany teny izany

dia indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao

ary ho kitay hazo ity firenena ity ka holevoniny.

15Indro, hitondra firenena avy lavitra Aho

hamely anareo, ry taranak’Israely,

hoy NY TOMPO,

dia firenena tsy mety resy,

firenena hatry ny ela,

firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny

sady tsy ho azonao izay lazainy.

16Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra;

izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.

17Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao,

hohaniny ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy,

hohaniny ny ondry aman’osinao sy ny ombinao,

hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao

sady horavany amin’ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.

18Nefa na dia amin’izany andro izany aza, hoy NY TOMPO, dia tsy holevoniko avokoa ianareo.

19Ary raha hoy ianareo: Nahoana NY TOMPO Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamanitra hafa teo amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo.

Rehefa tsy ekena intsony ny fahefan’Andriamanitra

20Ambarao ao amin’ny taranak’i Jakoba,

ary torio ao amin’ny Joda hoe:

21Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina,

izay mana-maso nefa tsy mahita,

ary manan-tsofina nefa tsy mandre:

22Izaho va tsy atahoranareo?

Hoy NY TOMPO;

tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako

izay nanao ny fasika ho fefin’ny ranomasina,

dia fetra mandrakizay tsy azony ihoarana?

Koa na dia mitopatopa aza ny onjany dia tsy mahavaky azy,

ary na dia mirohondrohona aza dia tsy mahahoatra azy.

23Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy mikomy;

mikomy izy dia lasa nandeha,

24ary tsy miteny anakampo akory hoe:

Aoka isika hatahotra NY TOMPO Andriamanitsika

izay mandatsaka ranonorana,

dia ny lohaorana sy ny faraorana amin’ny fotoanany avy;

ary ireo herinandro voatendry ho amin’ny fararano dia tandremany ho antsika.

25Ny helokareo no nampikorontana izany

ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.

26Fa ratsy fanahy maro no hita ao amin’ny oloko;

mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy,

manao vela-pandrika izy ka olona no azony.

27Toy ny tranom-borona feno vorona

no mahafeno fitaka ny tranony;

ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.

28Mihamatavy izy ka mandimandina,

dia mihoa-pampana amin’ny fanaovan-dratsy;

tsy mety mitsara ady izy

mba hahazoan’ny kamboty ny rariny,

kanefa mahomby ihany amin’ny ataony,

ary tsy mba jereny ny zon’ny mahantra.

29Tsy hampamoahiko amin’izany va izy?

Hoy NY TOMPO;

tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?

30Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ny tany;

31maminany lainga ny mpaminany,

manapaka araka izay atoron’ireny ny mpisorona,

ary mankasitraka izany ny oloko;

koa hanao ahoana re ianareo amin’ny ho avy?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help