Hosea 14 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Hovaliana i Samaria noho ny helony

satria nikomy tamin’Andriamaniny izy.

Ho lavon-tsabatra izy,

ny zanany madinika dia hotorotoroina

ary ny kibon’ny bevohoka eo aminy dia hotatahana.

Ny hanasitranana ny firenena mpikomy

2Ry Israely ô, miverena amin’NY TOMPO Andriamanitrao

fa lavon-keloka ianao.

3Mitondrà teny ianareo,

eny, miverena amin’NY TOMPO

ka mitenena Aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra

ary raiso izay tsara!

Dia hatolotray ho fanatitra ny molotray

ho solon’ny vantotra ombilahy.

4Tsy hamonjy anay i Asiria,

tsy hitaingin-tsoavaly izahay

sady tsy hiteny amin’ny asan’ny tananay intsony hoe: Ry andriamanitray ô!

Fa ao Aminao no ahitan’ny kamboty famindrampo.

5Hositraniko ny fivadihany,

ho tia azy amin’ny foko tokoa Aho;

fa efa niala taminy ny fahatezerako.

6Ho tahaka ny ando Aho amin’ny Israely;

hamony tahaka ny lisy izy

ary hamaka tahaka an’i Libanona.

7Hisandrahaka ny rantsany,

ho tahaka ny an’ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny,

ary ho tahaka ny an’i Libanona ny hanitra avy aminy.

8Hiverina indray

ireo izay nipetraka tao ambanin’ny alokalony,

hampahavokatra vary indray izy,

sady hamelana tahaka ny voaloboka;

ho tahaka ny an’ny divay avy any Libanona ny lazany.

9Ry Efraima ô! Hataoko inona intsony izay sampy?

Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao;

tahaka ny hazo kipreso maitso Aho,

avy Amiko no hahazoana ny vokatrao.

10Iza no hendry

ka hahafantatra izany zavatra izany?

Izay manan-tsaina dia hahalala izany.

Fa mahitsy ny lalan’NY TOMPO,

ny marina dia mizotra eny aminy,

fa ny mpanota kosa dia ho tafintohina eny aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help