Salamo 34 - Malagasy Protestant Bible 2011

Manafaka ahy amin’ny tahotro NY TOMPOSalamo nataon’i Davida tamin’izy nody adala teo anatrehan’i Abimeleka ka naha voaroaka azy teo sy nahatonga azy nandeha.alef א

1Hisaotra NY TOMPO lalandava aho;

ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

bet ב

2NY TOMPO no reharehan’ny fanahiko;

hahare izany ny mpandefitra ka ho faly.

gimel ג

3Miaraha mankalaza NY TOMPO amiko

ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.

dalet ד

4Nitady NY TOMPO aho dia namaly ahy Izy

ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.

he ה

5Izay mijery Azy dia miramirana

sady tsy mangaihay ny tavany.

zaìn ז

6Ity olona ory ity no niantso dia nihaino NY TOMPO

ka namonjy azy tamin’ny fahoriany rehetra.

het ח

7Ny Anjelin’NY TOMPO dia mitoby manodidina izay matahotra Azy

ka manafaka azy.

tet ט

8Andramo ka zahao fa tsara NY TOMPO!

Sambatra izay olona mialoka Aminy!

iod י

9Matahora NY TOMPO, ianareo olony masina!

Fa tsy misy zava-maha ory izay matahotra Azy.

kaf כ

10Na dia ny liona tanora aza rehefa tsy ampy hanina dia noana;

fa izay mitady NY TOMPO kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.

lamed ל

11Avia, anaka, mihainoa ahy!

Ny fahatahorana NY TOMPO no hampianariko anareo.

mem מ

12Na iza na iza ianao no maniry fiainana

ka tia andro maro hahitana ny soa

non נ

13dia arovy amin’ny ratsy ny lelanao

ary aoka ny molotrao tsy hiteny fitaka.

samek ס

14Halaviro ny ratsy ka manaova soa;

mitadiava fihavanana ka araho izany.

aìn ע

15Ny mason’NY TOMPO dia mitsinjo ny marina

ary ny sofiny dia mihaino ny fitarainany.

pe פ

16Ny tavan’NY TOMPO dia tezitra amin’ny mpanao ratsy

mba hofongorany tsy ho eo amin’ny tany ny fahatsiarovana azy.

tsade צ

17Mitaraina ny marina ary mihaino azy NY TOMPO

ka manafaka azy amin’ny fahoriany rehetra;

kof ק

18akaiky an’izay manana fo mangorakoraka NY TOMPO

ary mamonjy izay torotoro fanahy.

res ר

19Maro ny fahorian’ny marina,

nefa NY TOMPO manafaka azy amin’izany rehetra izany.

sin שׁ

20Miaro ny taolany rehetra Izy;

tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.

tao ת

21Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana

ary hohelohina izay mankahala ny olona marina.

22Fa manavotra ny fanahin’ny mpanompony NY TOMPO

ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka Aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help