Salamo 6 - Malagasy Protestant Bible 2011

Aza ny fahatezeranao no ananaranao ahyHo an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha. Al-hasheminit. Salamo nataon’i Davida.

1TOMPO ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy

ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy!

2Mamindrà fo amiko, TOMPO ô, fa reraka aho;

sitrano aho, TOMPO ô, fa mangozohozo ny taolako.

3Mangorohoro loatra ny fanahiko;

ary Ianao TOMPO ô, mandra-pahoviana?

4Miverena, TOMPO ô, afaho ny fanahiko,

vonjeo aho noho ny famindramponao.

5Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin’ny fahafatesana;

iza no hidera Anao any amin’ny fitoeran’ny maty?

6Efa sasatry ny misento aho;

isaky ny alina dia vonton’ny tomany ny kidoroko

sady kotsan-dranomaso ny fandrianako.

7Lanin’alahelo ny masoko;

efa pahina izy noho ny ataon’ny mpampahory ahy rehetra.

8Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra!

Fa NY TOMPO efa nandre ny feon’ny fitomaniako,

9NY TOMPO efa nandre ny fangatahako;

NY TOMPO mandray ny vavaka ataoko.

10Ho menatra sy hangovitra be ny fahavaloko rehetra;

hihemotra izy ka ho menatra tampoka.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help