1Raha niteny i Efraima
dia nampihorohoro
ka nisandratra tao amin’ny Israely izy.
Nefa nanota ny amin’ny Baala izy
ka maty.
2Ankehitriny dia mbola manota ihany izy,
ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra voarendrika,
dia sampy araka ny fahaizany,
izay asan’ny mpahay taozavatra avokoa.
Ireny dia lazaina fa
olona no vonoiny hatao fanatitra
ary manoroka ombilahy kely izy.
3Koa ho toy ny rahona maraina izy,
sy ho toy ny ando izay levona raha vao maraina ny andro
ary ho toy ny akofa izay paohin’ny rivotra hiala amin’ny famoloana
sy ho toy ny setroka avy amin’ny varavarankely.
4Izaho no TOMPO Andriamanitrao hatrany amin’ny tany Ejipta.
Tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao
sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5Izaho dia nahalala anao tany an-tany efitra,
dia tany amin’ny tany karankaina.
6Rehefa nahazo ahitra tsara izy dia voky;
eny, voky izy
ka niavonavona ny fony;
koa izany no nanadinoany Ahy.
7Ho tonga toy ny liona aminy Aho;
eny, toy ny leoparda amoron-dalana
no hijokoako azy;
8hamely azy toy ny famelin’ny bera very anaka Aho
ka handriatra ny saron’ny fony;
eny, any no handrapahako azy toy ny fandrapaky ny liom-bavy;
ny bibidia no hamiravira azy.
9Ringana ianao, ry Israely ô,
satria nanohitra Ahy
izay famonjena anao.
10Aiza ary izay mpanjakanao?
Aoka izy hamonjy anao any an-tanànanao rehetra!
Ary aiza ireo mpitsaranao izay nilazanao hoe:
Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
11Nomeko mpanjaka tamin’ny fahatezerako ianao,
nefa nesoriko tamin’ny fahavinirako izy.
12Voafehy ny helok’i Efraima,
voatahiry ny fahotany.
13Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy;
zanakalahy tsy hendry izy;
kanefa amin’ny fotoana hahaterahany dia tsy ho tafavoaka avy tao amin’ny kibon’ny reniny izy.
14Hafahako avy tamin’ny fitoeran’ny maty izy;
havotako amin’ny fahafatesana izy;
Ry fahafatesana ô, aiza ny areti-mandringanao?
Ry fitoeran’ny maty ô, aiza ny valanaretinao?
Afenina tsy ho hitan’ny masoko ny indrafo!
15Na dia hahavokatra eo afovoan’ny rahalahiny aza i Efraima
dia ho avy ny rivotra avy any atsinanana,
dia ny rivotry NY TOMPO miakatra avy any an-tany efitra,
ka ho ritra ny loharanony
ary ho tankina ny fantsakany.
Hobaboina ny harena, dia ny fanaka tsara rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.