2Samoela 22 - Malagasy Protestant Bible 2011

Salamo nataon’i Davida Sal 18.1-50

1Nanao izao hira izao ho an’NY TOMPO i Davida tamin’ny andro namonjen’NY TOMPO azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly.

2Hoy izy:

NY TOMPO no harambatoko sy manda fiarovana ho ahy ary mpanafaka ahy,

3Andriamanitro vatolampiko, Izy no ialofako,

ampingako sy tandroka famonjena ahy Izy

ary fiarovana avo ho ahy sy toeram-pandosirako;

ry Mpamonjy ahy, manafaka ahy amin’ny fampahoriana Ianao.

4Miantso NY TOMPO izay mendrika hoderaina aho

ka vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko.

5Satria nihodidina tamiko ny onjan’ny fahafatesana

ary ny riaky ny faharatsiam-panahy dia naha raiki-tahotra ahy.

6Nihodidina tamiko ny famatoran’ny fitoeran’ny maty,

nanoloana ahy ny fandriky ny fahafatesana.

7Fony azom-pahoriana aho dia niantso NY TOMPO,

eny, Andriamanitro no nitarainako;

nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy

ary ny fitarainako dia tonga eo an-tsofiny.

8Nihozongozona sy nihorohoro ny tany

ary ny fiorenan’ny lanitra dia nihorohoro;

eny, nihozongozona ireo, satria tezitra NY TOMPO.

9Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony

ary afo avy teo am-bavany no nandevona

sady nisy vainafo nidedadeda teo.

10Naondriny ny lanitra ka nidina Izy

ary haizim-pito no teo ambanin’ny tongony.

11Nitaingina kerobima Izy ka nanidina;

eny, niseho teo amin’ny ela-drivotra Izy.

12Nanao ny haizina ho tranony manodidina Azy Izy,

dia ranobe mihandrona sy rahona matevina.

13Avy teo amin’ny famirapiratana teo anoloany

dia nisy vainafo nidedadeda.

14Nampikotroka tany an-danitra NY TOMPO,

niloa-peo ny Avo Indrindra.

15Dia nandefa zana-tsipìka Izy ka nampiely ny fahavaloko

ary nampandeha tselatra ka nampifanaritaka azy.

16Dia niseho ny fanambanin’ny ranomasina

ary nihanjahanja ny fanorenan’ny tany,

noho ny teny mafy nataon’NY TOMPO,

noho ny fifofofofon’ny fofonain’ny vavorony.

17Nanatsotra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy;

nisintona ahy niala tamin’ny ranobe Izy.

18Nanafaka ahy tamin’ny fahavaloko mahery Izy

sy tamin’izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny.

19Nisakana ahy ireny tamin’ny andro nahitako loza,

nefa NY TOMPO no nanohana ahy.

20Namoaka ahy ho any amin’ny malalaka Izy;

nanafaka ahy Izy satria tiany aho.

21Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako NY TOMPO;

araka ny fahadiovan’ny tanako no namaliany ahy.

22Fa nitandrina ny lalan’NY TOMPO aho

ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin’Andriamanitro;

23ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako

ary ny didiny dia tsy mba nialako;

24tsy nanan-tsiny Taminy aho

sady niaro tena tsy ho azon’ny fahotako.

25Koa namaly ahy araka ny fahamarinako NY TOMPO,

araka ny fahadiovako teo imasony.

26Ny olona tsara no isehoanao fa tsara;

ny tena olona marina no isehoanao fa marina;

27ny madio no isehoanao ho madio;

ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao ho miolikolika.

28Vonjenao ny olona ory;

ary ny masonao dia manohitra ny mpiavonavona ka aetrinao ireny.

29Fa Ianao no jiroko, TOMPO ô;

mampahazava ny fahamaizinako NY TOMPO.

30Ianao no ahazoako mihazakazaka hamely miaramila andiany iray;

Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda.

31Raha ny amin’Andriamanitra dia marina ny lalany;

ny tenin’NY TOMPO dia voazaha toetra amin’ny memy;

NY TOMPO no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy.

32Fa iza no Andriamanitra afa-tsy NY TOMPO?

Iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika?

33Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy;

mitondra ahy amin’ny lalana tanteraka Izy.

34Manao ny tongotro ho tahaka ny an’ny dieravavy Izy;

mampitoetra ahy eo amin’ny havoana Izy.

35Mampianatra ny tanako hiady Izy

ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko.

36Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao

ary mahalehibe ahy ny fahamoram-panahinao.

37Halalahinao ny lalana diaviko

ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

38Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy

ary tsy miverina aho mandra-pahalany ritra azy.

39Mandringana sy mandripaka azy aho

ka tsy maharina izy;

lavo eo ambanin’ny tongotro izy.

40Ianao no mampisikina hery ahy mba hiady;

aripakao ho eo ambaniko izay mitsangana hamely ahy.

41Ataonao miamboho ahy ny fahavaloko;

ampanginiko izay mankahala ahy.

42Miherikerika izy nefa tsy misy mpamonjy;

eny, maniry NY TOMPO izy nefa tsy mamaly azy Izy.

43Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka izy;

hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka aeliko.

44Manafaka ahy amin’ny fifanoheran’ny oloko Ianao

sady mitahiry ahy ho lohan’ny firenen-tsamihafa;

ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy.

45Ny hafa firenena dia mikoy ahy;

raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy dia manoa ahy.

46Ny hafa firenena dia mihaketraka

ka miala amin-kovitra avy ao amin’ny manda fiarovany mafy.

47Velona NY TOMPO; isaorana anie ny Vatolampiko!

Hasandratra anie Andriamanitry ny vatolampy famonjena ahy,

48dia Andriamanitra izay manao famaliana ho ahy

ka mampietry firenena ho ambaniko,

49dia Ilay mitondra ahy ho afaka amin’ny fahavaloko;

eny, manandratra ahy ho ambonin’izay mitsangana hanohitra ahy Ianao

ary manafaka ahy amin’ny mpampihorohoro.

50Koa izany no hiderako Anao eny amin’ny firenen-tsamihafa, TOMPO ô,

sy hihirako ho an’ny anaranao.

51Manao famonjena lehibe ho an’ny mpanjaka voatendriny Izy

ary mamindra fo amin’ny voahosony,

dia amin’i Davida sy ny taranany mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help