Salamo 131 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tsy mirehareha ny fokoHira fanao amin’ny fiakarana. Nataon’i Davida.

1TOMPO ô, tsy mirehareha ny foko ary tsy miandranandrana ny masoko;

tsy misaintsaina izay zavatra ambony loatra aho,

na izay saro-pantarina tsy takatro.

2Fa tony sady mangina tsara ny fanahiko ato anatiko;

tahaka ny zaza eo amin’ny reniny

eny, tahaka ny zazakely eo amin’ny reniny ny fanahiko.

3Ry Israely ô, manantenà NY TOMPO,

hatramin’izao ka ho mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help