Salamo 89 - Malagasy Protestant Bible 2011

Aiza ireo fanekena tamin’i Davida?Maskila nataon’i Etana ezrahita

1Ny famindrampon’NY TOMPO no hohiraiko mandrakariva;

hatramin’ny taranaka fara aman-dimby no hampahafantaran’ny vavako ny fahamarinanao.

2Fa hoy aho: Hotovonana mandrakizay ny famindrampo;

ny fahamarinanao no hampitoerinao any an-danitra.

3Efa nanao fanekena tamin’ny Voafidiko Aho;

eny, efa nianiana tamin’i Davida mpanompoko Aho hoe:

4Hampitoetra ny taranakao ho mandrakizay Aho

ka hanangana ny sezafiandriananao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby. Fiatoana.

5Hidera ny fahagagana ataonao ny lanitra, TOMPO ô,

ary eo amin’ny fivorian’ny masina koa ny fahamarinanao.

6Fa iza any an-danitra no mitovy amin’NY TOMPO?

Ary iza amin’ny zanak’ireo andriamanitra no afa-mitaha amin’NY TOMPO?

7Andriamanitra mahatahotra indrindra eo amin’ny filankevitr’ireo masina

ary hatahoran’izay rehetra manodidina Azy fatratra?

8RY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao ô, iza no mahery tahaka Anao, TOMPO ô?

Manodidina Anao ny fahamarinanao.

9Ianao manapaka ny fisavoanan’ny ranomasina;

raha manonja ny alondrano dia mampitsahatra azy Ianao.

10Ianao no nanorotoro an’i Rahaba ho tahaka izay voavono;

ny sandrinao mahery no nampielezanao ny fahavalonao.

11Anao ny lanitra, anao koa ny tany;

izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy, Ianao no nanorina azy.

12Ny avaratra sy ny atsimo, Ianao no nahary azy;

ny anaranao no ihobian’i Tabara sy i Hermona.

13Manan-tsandry mahery Ianao;

mahery ny tananao, misandratra ny tananao ankavanana.

14Rariny sy fitsarana marina no fanorenan’ny sezafiandriananao;

famindrampo sy fahamarinana no mialoha ny tavanao.

15Sambatra izay firenena mahalala ny feo fihobiana!

TOMPO ô, amin’ny fahazavan’ny tavanao no andehanany.

16Ny anaranao no ifaliany mandrakariva

ary ny fahamarinanao no isandratany.

17Fa voninahitry ny heriny Ianao

ary amin’ny fankasitrahanao no isandratan’ny tandrokay.

18Fa an’NY TOMPO ny ampinganay;

an’ny Iray Masin’ny Israely ny mpanjakanay.

19Tamin’izany ny olonao masina dia nilazanao tamin’ny fahitana hoe:

Nametraka famonjena tamin’ny mpiady mahery iray Aho

ary nanandratra zatovo iray teo amin’ny olona.

20Nahita an’i Davida mpanompoko Aho;

ny diloiloko masina no nanosorako azy.

21Izy no homban’ny tanako;

eny, ny sandriko no hampahery azy.

22Tsy hamitaka azy ny fahavalo

ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy.

23Fa handripaka ny fahavalony eo anoloany Aho

sady hamely izay mankahala azy.

24Ny fahamarinako sy ny famindrampoko no homba azy

ary amin’ny anarako no hisandratan’ny tandrony.

25Dia hampitoetra ny tanany amin’ny ranomasina Aho

ary ny tanany havanana amin’ny ony.

26Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao,

Andriamanitro sy vatolampin’ny famonjena ahy.

27Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa

ambony indrindra amin’ny mpanjakan’ny tany.

28Hitahiry ny famindrampoko ho azy mandrakizay Aho

ary ny fanekeko dia hampaharetiko aminy.

29Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho

ary ny sezafiandrianany dia ho tahaka ny faharetan’ny lanitra.

30Raha mahafoy ny lalànako ny zanany

ka tsy mandeha araka ny fitsipiko,

31raha ny fitsipiko no hamavoiny

ary ny didiko no tsy tandremany,

32dia hovalìko tsorakazo ny fahadisoany,

ary hovalìko kapoka ny helony.

33Kanefa ny famindrampoko tsy hofoanako aminy

ary tsy havadiko ny fahamarinako;

34tsy hivadihako ny fanekeko

ary tsy hovako ny nolazain’ny molotro.

35Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin’ny fahamasinako,

tsy handainga amin’i Davida mihitsy Aho:

36Ny taranany dia haharitra mandrakizay

ary ny sezafiandrianany dia ho tahaka ny masoandro eo anatrehako.

37Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy,

tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra. Fiatoana.

38Kanefa narianao sy nolavinao izy!

Tezitra tamin’ny Voahosotrao Ianao!

39Nofoananao ny fanekena tamin’ny mpanomponao;

nolotoinao ny satroboninahiny ka narianao tamin’ny tany.

40Noravanao ny fefiny rehetra;

nosimbanao ny fiarovany mafy.

41Izay rehetra mandalo eny an-dalana dia mandroba azy;

tonga fandatsan’ny mpiaramonina aminy izy.

42Nampisandratra ny tanana havanan’ny rafilahiny Ianao

ary nampifaly ny fahavalony rehetra.

43Nampihemotra ny lelan’ny sabany Ianao

ka tsy nampaharitra azy tamin’ny ady.

44Nampitsahatra ny voninahiny Ianao

ka nanongana ny sezafiandrianany ho amin’ny tany.

45Nanafohy ny andron’ny fahatanorany Ianao

ary nanaron-kenatra azy. Fiatoana.

46Mandra-pahoviana, TOMPO ô? Hiery mandrakizay va Ianao?

Hirehitra tahaka ny afo va ny fahatezeranao?

47Tsarovy ny hafohin’ny androko;

toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’olombelona rehetra!

48Iza no lehilahy ho velona ka tsy hahita fahafatesana

fa hahavonjy ny tenany tsy ho azon’ny fitoeran’ny maty? Fiatoana.

49Tompo ô, aiza ny famindramponao fahiny

izay nianiananao tamin’i Davida tamin’ny fahamarinanao?

50Tompo ô, tsarovy ny latsa manjo ny mpanomponao;

ny tratrako dia mivesatra ny firenena marobe,

51dia ny nandatsan’ny fahavalonao, TOMPO ô,

Eny, ny nandatsany ny dian’ny Voahosotrao!

52Isaorana mandrakizay anie NY TOMPO! Amena! Eny, Amena!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help