Joba 33 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fandresen-dahatra ataon’i Eliho: Mampitandrina ny olona Andriamanitra

1Kanefa, miangavy anao aho, ry Joba, mihainoa izay alahatro

ary atongilano ny sofinao amin’ny teniko rehetra!

2Indro, manoka-bava aho,

miteny ato am-bavako ny lelako.

3Ny hitsim-poko no hiseho amin’ny teniko

ary ny fahalalan’ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.

4Ny Fanahin’Andriamanitra no efa nanao ahy

ary ny fofonain’ny Tsitoha no mamelona ahy.

5Raha hainao, valio ary aho,

miomàna ianao ka miatreha tsara.

6Indro, eo anatrehan’Andriamanitra aho dia mitovy aminao;

eny, izaho koa dia mba nosombinana avy tamin’ny tanimanga.

7Indro, ny fampahatahorana avy amiko dia tsy hampahatahotra anao

ary tsy hitambesatra aminao ny tanako.

8Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao

ary efa reko ihany ny feon’ny teninao hoe:

9Madio tsy manam-pahadisoana aho

ary tsy manan-tsiny aman-keloka.

10E! Mahita izay hanatsiniana ahy foana Andriamanitra

ary ataony fahavalony aho;

11mampiditra ny tongotro ao amin’ny boloky hazo Izy

ary mitsongo ny diako rehetra.

12E! Izany no tsy mahamarina anao, hoy aho;

fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona.

13Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao

noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony?

14Kanefa misy fomba iray itenenan’Andriamanitra;

eny, fomba roa aza, nefa tsy tandrin’ny olona izany,

15dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ny alina.

Raha sondrian-tory iny ny olona

ka renoka eo am-pandriana

16dia manokatra ny sofin’ny olona Izy

ka manisy tombo-kase ny fananarany azy

17mba hampiala ny olona amin’ny fanaony

sy hiaro azy amin’ny fireharehana.

18Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy

ary ny ainy mba tsy ho voan’ny fiadiana atoraka.

19Anarina amin’ny fanaintainana eo am-pandrianany koa izy

sy amin’ny fikotrankotran’ny taolany lalandava;

20mankaloiloy azy ny hanina;

eny, na ny hanim-py aza dia tsy tiany.

21Mihena ny nofony ka tsy hita

ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;

22dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny

ary manatona ny mpaka aina ny ainy.

23Raha misy anjely ho mpanalalana ho azy,

iray amin’ny arivo,

hanoro izay tokony halehan’ny olona,

24ary hamindra fo aminy ka niteny hoe:

Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka,

fa efa nahita avotra aho,

25dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony

ary hody ho toy ny tamin’ny andron’ny fahatanorany izy;

26hivavaka amin’Andriamanitra izy ka hankasitrahany

ary hahita ny tavany amin’ny hafaliana,

fa hampodiny amin’ny zanak’olombelona ny fahamarinany.

27Dia hihira izy ka hilaza amin’ny olona hoe:

Efa nanota aho fa nanao ny rariny ho heloka,

kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;

28fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka

ary mifaly ny aiko amin’ny fahitana ny mazava.

29Indro, izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra

indroa amin’ny olona; eny, intelo aza,

30mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka

mba hihazavany amin’ny fahazavan’ny velona.

31Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy!

Mangìna kely aloha ianao fa mbola hiteny aho!

32Raha manan-kavaly ianao dia mamalia ahy ihany!

Mitenena, fa ta hanamarina anao aho!

33Fa raha tsy manan-kavaly ianao dia mihainoa ahy kosa!

Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help