1Raha tsy NY TOMPO no manorina ny trano
dia miasa foana ny mpanao azy.
Raha tsy NY TOMPO no miambina ny tanàna
dia miari-tory foana ny mpiambina.
2Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina sy ny alim-pandry
ka homana ny hanina azo amin’ny fahasahiranana;
izany anefa dia omeny ihany ho an’ny malalany na dia matory aza izy.
3Indro, lova avy amin’NY TOMPO ny zanaka maro,
valisoa ny ateraky ny kibo.
4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tanan’ny mahery
ny zanaky ny fahatanorana.
5Sambatra ny lehilahy izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin’ireny.
Tsy ho menatra ireny
raha mifamaly amin’ny fahavalo eo am-bavahady.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.