Isaia 5 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny tanim-boaloboky NY TOMPO

1Avelao aho hihira ho an’ny malalako,

dia ny hiran’ny malalako ny amin’ny tanim-boalobony.

Ny malalako dia nanana tanim-boaloboka

teo amin’ny havoana lonaka.

2Nasainy io ka nesoriny ny vato

dia novoleny karazam-boaloboka tsara;

nanao trano fiambenana teo afovoany Izy

ary nandavaka famiazam-boaloboka teo.

Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy,

kanjo namoa voalobo-dratsy io.

3Noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin’ny Joda,

miangavy anareo aho, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko!

4Inona moa no mbola azo natao tamin’ny tanim-boaloboko

ka tsy efa nataoko taminy?

Koa raha nanantena azy

hamoa voaloboka tsara Aho,

nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?

5Koa ankehitriny, aoka hambarako anareo

izay hataoko amin’ny tanim-boaloboko.

Hesoriko ny fefy tsilony

ka holevonina izy;

harodako ny fefy vatony

ka ho voahitsakitsaka izy;

6Hataoko simba tanteraka izy:

Tsy hohetezana ny sampam-boalobony ary tsy hohevoina izy

fa ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo.

Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.

7Fa tanim-boalobok’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

ny taranak’Israely,

ary ny lehilahy amin’i Joda

no voly tiany.

Dia nanantena fitsarana marina Izy,

kanjo indro, heloka be vava!

Niandry fahamarinana Izy,

kanjo indro, fitarainana!

Ireo izay mihantsy ny fahatezeran’NY TOMPO

8Lozanareo izay manampy trano amin’ny trano

sady manampy saha amin’ny saha

ambara-paha tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony!

Fa ianareo irery no monina eo amin’ny tany!

9Izao no ren’ny sofiko tamin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Marina tokoa fa ho foana ny trano maro;

eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra.

10 Bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo zemeda,

ary eran’ny efaha monja no ho vokatry ny masomboly eran’ny homera.

11Lozan’izay mifoha vao maraina

ka mitady toaka,

izay miboboka mandra-paharivan’ny andro ka ampirehetin’ny divay!

12Ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina

ary ny divay no foto-panasany;

nefa tsy mba jereny ny asan’NY TOMPO,

ary tsy mba hitany ny asan’ny tanany.

13Vokatr’izany dia ho lasan-ko babo ny oloko

noho ny tsy fahalalany;

ho mosarena ny olona ambony

ary ho mainan’ny hetaheta ny valalabemandry.

14Koa izany no mampitanatana vava ny fitoeran’ny maty

hanao teli-moka an’i Jerosalema;

any no hivarinan’ny olo-manankajany sy ny valalabemandriny

ary ny tabatabany mbamin’ny fifaliany.

15Hatao mitanondrika ny zanak’olombelona

ary haetry ny olona;

ny mason’ny miandranandram-pijery dia haidina.

16Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no hisandratra amin’ny fitsarany marina,

ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin’ny fahamarinana.

17Hiraoka ahitra toy ny eny amin’ny tany fiandrasana azy ihany ny zanak’ondry,

ary any an-tany foana no hipetrahan’ny ondry matavy

ka mpirenireny no hiandry ondry ao.

18Lozan’izay mitari-keloka amin’ny kofehin’ny famitahana,

ary mitarika ota toy ny amin’ny mahazakan-tsarety

19sady miteny hoe: Aoka hohafainganiny

sy hododonany ny asany

mba ho hitantsika!

Ary aoka hanakaiky sy ho tanteraka

izay kasain’ny Iray Masin’ny Israely

ka ho fantatsika!

20Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara

ary ny tsara ho ratsy,

izay manao ny maizina ho mazava

ary ny mazava ho maizina,

izay manao ny mangidy ho mamy

ary ny mamy ho mangidy!

21Lozan’izay manao azy ho hendry

sy mihevi-tena ho manan-tsaina!

22Lozan’izay raindahiny amin’ny fisotroan-divay

sy mahery amin’ny fampiharoharoana karazan-toaka!

23Manamarina ny meloka noho ny kolikoly izy

sady manala ny rariny amin’ny marina!

24Koa toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo

sy toy ny fihalevonan’ny bozaka midedadeda

no hahalovan’ny fotony

sy hijofoan’ny voniny tahaka ny vovoka,

satria efa nandà ny lalànan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy

sy nanamavo ny tenin’ny Iray Masin’ny Israely.

25Koa izany no irehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO amin’ny olony

sy anaingany ny tanany aminy ka amelezany azy;

dia mihorohoro ny tendrombohitra,

ary ny fatin’ny olona dia tonga tahaka ny fako eny an-dalambe.

Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany

fa mbola miainga ihany ny tanany.

Ilay mpanafika tsy hay sakanana

26Hanangana faneva ho amin’ny firenena lavitra Izy

sady hisiaka hiantso firenena iray avy any am-paran’ny tany;

ary indro, avy haingana dia haingana izy.

27Tsy hisy reraka na tafintohina aminy;

tsy hisy ho rendremana na hatory;

tsy hisy hanana fehikibo miboraka,

na fehin-kapa tapaka;

28Maranitra ny zana-tsipìkany

ary voahenjana avokoa ny tsipìkany;

ny kitron-tsoavaliny dia atao ho tahaka ny afovato,

ary ny kodiarany dia ho tahaka ny tadio.

29Ny fierony dia tahaka ny fieron’ny liom-bavy;

mierona tahaka ny liona tanora izy; eny, manerona izy

ka mandrapaka ny remby, lasany izany

ka tsy azo alaina intsony.

30Hisy hirohondrohona aminy amin’izany andro izany,

tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina;

ary raha mijery ny tany ny olona dia indro haizina sy fahoriana;

ary ny fahazavana dia hohamaizinin’ny rahona matevina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help