Hosea 4 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny adin’Andriamanitra amin’ny Israely

1Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo Zanak’Israely!

Fa manana ady amin’ny mponina amin’ny tany NY TOMPO

satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana

na fahalalana an’Andriamanitra eo amin’ny tany,

2fa fanozonana sy lainga,

famonoana sy halatra ary fijangajangana kosa;

eny, manao an-keriny izy

ary tsy mitsahatra ny mandatsa-dra.

3Noho izany dia mitomany ny tany

ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy

mbamin’ny bibidia

sy ny voromanidina;

eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.

Miampanga ny mpisoron’ny Israely Andriamanitra

4Kanefa aza misy miampanga

na manome tsiny

fa ny olonao dia efa tahaka ireo mifamaly amin’ny mpisorona.

5Ho tafintohina antoandro ianao;

ny mpaminany koa dia hiara-tafintohina aminao amin’ny alina,

ary hovonoiko ny reninao.

6Ringana ny oloko

noho ny tsy fisian’ny fahalalana.

Satria nandà ny fahalalana ianao,

dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony;

nanadino ny lalànan’Andriamanitrao ianao,

ka mba hohadinoiko kosa ny zanakao.

7Arakaraka ny nitomboany

no nanotany Tamiko

ka hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.

8Mamoky tena amin’ny fanatitra fanadiovana izay aterin’ny oloko izy ireo,

ka satriny ihany ho diso ny olona.

9Ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona;

hovaliako noho ny lalany izy,

ary hatsingeriko aminy ny nataony.

10Koa hihinana izy nefa tsy ho voky,

hijangajanga izy nefa tsy hitombo isa

satria efa tsy nahoany intsony NY TOMPO.

Ny fijangajangan’ny olona

11Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka

no mahavery ny saina.

12Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko

ary ny tehiny no miteny aminy;

fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy;

mijangajanga izy ka manalavitra an’Andriamaniny.

13Eny an-tampon’ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra;

eny amin’ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra,

dia eny ambanin’ny hazo oaka sy ny hazo kesika ary ny hazo terebinta

izay tsara alokaloka!

Koa izany no ijejojejoan’ny zanakavavinareo

sy ijangajangan’ny vinantovavinareo.

14Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho

raha mijejojejo izy,

na ny vinantovavinareo

raha mijangajanga izy,

fa ny tenany aza dia mitokana mankany amin’ny mpijangajanga

sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin’ireo mpijangajanga ho fanompoan-tsampy.

Tsy ho vanona ny firenena tsy misaina.

15Na dia mijangajanga aza ianao, ry Israely,

aoka tsy mba hanota ny Joda;

aza mankany Gilgala ianareo

na miakatra any Bety-Avena;

ary aza mianiana hoe:

Raha velona koa NY TOMPO!

16Fa maditra toy ny vantotra ombivavy maditra ny Israely;

koa ankehitriny dia handrasan’NY TOMPO

toy ny zanak’ondry eny amin’ny malalaka izy.

17Lasa mpiombona amin’ny sampy i Efraima;

aoka izy ho eo!

18Raha vao mitsahatra ny fibobohany divay

dia tsy manao afa-tsy ny mijangajanga izy.

Mankasitraka fahafaham-baraka ireo mpitondra azy.

19Voapaoky ny elatry ny rivotra izy

ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help