Fitomaniana 1 - Malagasy Protestant Bible 2011

Jerosalema, ilay mpitondratena nafoyalef א

1Indrisy!

Mitoetra manirery izao

ilay tanàna feno olona!

Tonga toy ny mpitondratena izy!

Ilay nalaza tamin’ny firenena

sady andriambavy tamin’ny fari-piadidiana samihafa

dia manjary miasa an-terivozona.

bet ב

2Mitomany mafy izy amin’ny alina,

ary ny ranomasony dia manorika amin’ny takolany.

Izay rehetra tia azy

dia tsy mba misy mampionona azy;

ny sakaizany rehetra dia efa nivadika taminy

ka tonga fahavalony.

gimel ג

3Lasan-ko babo ny Joda, ory

sady vesaran’ny fanompoana;

mipetraka any amin’ny Jentilisa izy

ary tsy mahita fitsaharana;

izay rehetra nanenjika azy dia nahatratra azy

teo anivon’ny fahoriam-be.

dalet ד

4Ireo lalana mankany Ziona dia misaona

satria tsy misy tonga amin’ny fotoam-piravoravoana;

rava ny vavahadiny rehetra,

misento ny mpisorony;

ory ny virijininy

ary i Ziona dia azon’ny fahoriana mangidy.

he ה

5Ny mpanohitra azy no nanjary mpitondra,

ny fahavalony no miadana

satria NY TOMPO efa nampahory azy

noho ny hamaroan’ny fahotany;

ny zanany madinika aza dia lasan-ko babo

eo anoloan’ny rafiny.

vav ו

6Niala tamin’i Ziona zanakavavy

ny voninahiny manontolo;

ny mpanapaka azy dia toy ny diera

tsy mahita ahitra,

ary mandeha tsy misy hery

eo anoloan’ny mpanenjika azy izy.

zaìn ז

7Tsaroan’i Jerosalema

amin’ny andron’ny fahoriany sy fanjenjenany

ny zava-tsoa rehetra izay nananany

hatramin’ny ela;

fa nony lavo teo an-tanan’ny fahavalo ny olony

ka tsy nisy namonjy azy

dia nahita azy ny fahavalo

ka nihomehy ny faharavany.

het ח

8Tena nanota tokoa i Jerosalema

ka izany no nahatonga azy ho fahavetavetana;

izay rehetra nanaja azy dia mamingavinga azy

satria nahita ny fitanjahany ireny;

eny, izy tenany aza dia misento

ka mihemotra.

tet ט

9Ny fahalotoany dia teo amin’ny morontongotr’akanjony;

tsy nihevitra izay ho aviny izy;

mampitolagaga ny fietreny,

tsy misy mampionona azy.

TOMPO ô, jereo ny fahoriako

fa mirehareha ny fahavalo.

iod י

10Ny fahavalo dia nanatsotra ny tanany

tamin’ny zava-tsoany rehetra;

fa hitany tafiditra ao amin’ny fitoerany masina

ny Jentilisa izay noraranao tsy hiditra ao amin’ny fiangonanao.

kaf כ

11Misento ny olony rehetra

mitady mofo;

eny, atakalony hanina ny zava-tsoany

mba hampody ny ainy;

jereo, TOMPO ô, ka diniho

fa vingavingaina aho.

lamed ל

12Mba tsy ho aminareo rehetra izay mandalo amin’ny lalana anie izao!

Diniho sy jereo

raha mba misy fahoriana toy ny fahoriako

izay namelezany ahy,

dia ilay nampahorian’NY TOMPO ahy

tamin’ny andro nirehetan’ny fahatezerany.

mem מ

13Avy tany amin’ny avo no nandatsahany afo ho amin’ny taolako,

Izy no mandefa izany;

namelatra harato haningorana ny tongotro Izy

ka nampihemotra ahy;

nampahalao ahy Izy

sady nampahareraka ahy mandritra ny andro.

non נ

14Ny ziogan’ny fiodinako dia nofehezin’ny tanany;

mifaningotsingotra ireny

ka tonga teo an-katoko;

noketrahiny ny heriko;

eny, natolotry ny Tompo

ho eo an-tanan’izay tsy leoko aho.

samek ס

15Nataon’ny Tompo tsinontsinona ny mahery rehetra

izay niaraka tamiko;

nanendry fotoam-piravoravoana hamelezana ahy Izy,

hamotehana ny zatovoko;

nanosihosy an’i Joda zanakavavy virijiny

teo amin’ny famiazam-boaloboka ny Tompo.

aìn ע

16Izany zavatra izany no mampitomany ahy;

ny masoko; eny, mandrotsa-dranomaso ny masoko

satria lavitra ahy ny mpampionona

izay tokony hamelombelona ny fanahiko;

ringana ny zanako

satria mahery ny fahavalo.

pe פ

17Manatsotra tanana i Ziona,

nefa tsy misy mampionona azy;

NY TOMPO nandidy ny amin’i Jakoba,

mba ho tonga fahavalony ny manodidina azy;

Jerosalema dia tonga

fahavetavetana eo afovoan’ireo.

tsade צ

18Marina NY TOMPO,

fa izaho kosa dia nandà ny teniny;

ry firenena rehetra, mihainoa re!

Mba jereo ny fahoriako;

ny virijiniko sy ny zatovoko

dia lasan-ko babo.

kof ק

19Nantsoiko ireo tia ahy,

nefa nofitahiny aho;

ny mpisoroko sy ny loholoko

dia niala aina tao an-tanàna

raha teo am-pitadiavana hanina

mba hampody ny ainy.

res ר

20Jereo, TOMPO ô, fa azom-pahoriana aho,

mandevilevy ny ato anatiko;

miontana ato anatiko ny foko

satria naditra loatra aho;

eny ivelany dia ny sabatra no mandripaka ny zanako,

ary ao an-trano dia toa misy fahafatesana.

sin ש

21Reny fa misento aho;

tsy misy mampionona ahy;

ny fahavaloko rehetra dia nandre ny fahavoazako

ka faly satria Ianao no nahavita izany;

hahatonga ny andro izay nolazainao Ianao.

Mba ho tahaka ahy koa anie ireo.

tao ת

22Aoka ho tonga eo anatrehanao ny faharatsiany rehetra,

ary mba ataovy aminy

tahaka izay nataonao tamiko

noho ny fahotako rehetra;

fa betsaka ny fisentoako

ka reraka ny foko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help