Joba 39 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ny osidia any amin’ny harambato?

Voahevitrao va ny fiterahan’ny dieravavy?

2Mahisa ny volana itondrany vohoka va ianao?

Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?

3Miondrika izy ka teraka

sady afaka ny farariany.

4Donga ny zanany, mihalehibe eny an-tampon-tanety eny;

lasa mandeha izy ka tsy miverina eo aminy intsony.

5Iza moa no namela ny borikidia hikarenjy?

Ary iza no efa namaha ny fatoran’ny borikidia

6izay nomeko ny tany ngazana ho fitoerany

ary ny tanin-tsira ho fonenany?

7Ihomehezany ny tabataba ao an-tanàna;

tsy ahoany akory ny antsoantson’ny mpandroaka boriky.

8Mikarenjy any an-tendrombohitra rehetra any izy mitady ny kijanany

ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.

9Mba mety manompo anao va ny ombimanga,

na handry ao am-pahitrao amin’ny alina?

10Mahafatotra ny ombimanga amin’ny mahazaka ho ao am-bavaasanao va ianao?

Na, mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?

11Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny?

Ary havelanao hataony va ny asanao?

12Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy

ary hanangona izany ho eo am-pamoloananao?

13Mikopakopaka noho ny hafaliana ny elatry ny aotirisy,

nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?

14Ilaozany anaty tany ny atodiny

ka avelany hafanain’ny vovoka

15Tsy ahiny ny ho voaporitry ny tongotra ireo

na ho voahitsaky ny bibidia.

16Mafy ny fitondrany ny zanany fa ataony hoatra ny tsy azy ireny;

tsy ahoany akory na dia mila ho very foana aza izay nisasarany.

17Fa nesorin’Andriamanitra taminy ny fahendrena

ary tsy nomeny anjara fahalalana izy.

18Raha mikopakopaka elatra toa hanidina izy

dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.

19Moa manome hery ny soavaly va ianao

na manarona vombo mihofahofa ny vozony?

20Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao?

Mahatsiravina ny hamafin’ny fiefonefony!

21Mihehy ao amin’ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny;

mandroso hanetra ny ady izy.

22Ihomehezany ny tahotra ary tsy mivadi-po izy

sady tsy mianotra manoloana ny sabatra.

23Mikitrakitrana eny amboniny ny tranon-jana-tsipìka

sy ny lefona mitselatselatra ary ny lefom-pohy.

24Miriotra mafy amin’ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy

ka tsy mety mijanona intsony rehefa maneno ny anjomara.

25Na oviana na oviana no anenoan’ny anjomara dia mihiaka izy hoe Hia!

Manimbolo ny ady izy raha mbola lavitra,

dia ny antsoantson’ny manamboninahitra sy ny akoralava mihantsy ady.

26Ny fahendrenao va no mampisidina ny hitsikitsika

sy mampamelatra ny elany hianatsimo?

27Noho ny didinao va no iakaran’ny voromahery

sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?

28Eny amin’ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny,

dia any an-tendron’ny harambato izay mandany mafy.

29Avy any no itiliany ny remby;

mahatsinjo lavitra ny masony.

30Mitsentsitra ra ny zanany

ary izay itoeran’ny faty dia any izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help