2Petera INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny EpistilyNy Epistily dia manomboka amin’ny fananarana ny mpamaky mba hiorina tsara amin’ny maha voafidy sy voaantso azy. Ny mpanoratra dia mananatra ny mpamaky mba tsy hifandray amin’ny mpaminany sandoka, fa hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra ireny. Maniratsira izy ireny, milaza fa mitaredretra ny fiavian’ny Tompo. Ny mpamaky kosa dia hiorina tsara mba tsy ho voaloton’ny ratsy fanahy, fa ho avy tampoka sahala amin’ny mpangalatra ny Tompo. Hitombo amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesosy Kristy kosa izy.Na dia ny fitolomana amin’ny fampianarana sandoka aza no anton’ny Epistily dia misongadina ao, toy ny ao amin’ny 1Petera koa, ny amin’ny fanantenana sy ny fahalalana tsara an’i Jesosy Kristy.Ny firafitry ny BokyFitarihanteny: 1.1-2Fananarana mba handeha amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy hiorina tsara amin’ny maha voafidy sy voaantso: 1.3-21Fampitandremana ny amin’ny mpaminany sandoka: 2.1-22Ny amin’ny fiavian’ny Tompo, ary fananarana ho amin’ny fitondrantena masina eo am-piandrasana izany: 3.1-13Famaranana: 3.14-18
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help