Salamo 66 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fiderana an’Andriamanitra MpanafakaHo an’ny mpiventy hira. Tononkira. Salamo.

1Mihobia ho an’Andriamanitra,

ry tany rehetra!

2Mankalazà ny voninahitry ny anarany;

omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy!

3Lazao amin’Andriamanitra hoe: Endre, mahatahotra ny asanao!

Ny fahalehibiazan’ny herinao no ikoizan’ny fahavalonao Anao.

4Ny tany rehetra dia hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao;

eny, hankalaza ny anaranao izy. Fiatoana.

5Avia ka jereo ny asan’Andriamanitra!

Mahatahotra ny zavatra ataony amin’ny zanak’olombelona.

6Nampody ny ranomasina ho tany maina Izy;

nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona;

tao no nifaliantsika tamin’Andriamanitra.

7Manjaka mandrakizay amin’ny heriny Izy

ary ny masony dia mandinika ny firenen-tsamihafa:

Aoka tsy hanandra-tena ny maditra! Fiatoana.

8Misaora an’Andriamanitsika, ry firenena,

ary asandrato ny feo fiderana Azy.

9Izy no mampitoetra antsika amin’ny fiainana

ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.

10Fa efa nizaha toetra anay Ianao, Andriamanitra ô,

efa nanadio anay Ianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin’ny memy.

11Nampiditra anay tao amin’ny fandrika harato Ianao,

nanisy enta-mavesatra teo an-damosinay Ianao,

12nampandeha olona hanitsaka ny lohanay Ianao,

nandeha namakivaky ny afo sy ny rano izahay,

nefa nitondra anay nivoaka ho amin’ny fitahiana mahatretrika Ianao.

13Hiditra ao amin’ny tranonao mitondra fanatitra dorana manontolo aho,

hefaiko Aminao ny voadiko

14izay notononin’ny molotro

sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.

15Hatolotro ho fanatitra dorana manontolo ho Anao ny matavy

mbamin’ny setroky ny ondrilahy.

Hanatitra omby sy osilahy aho. Fiatoana.

16Avia, mihainoa, ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra,

fa hotantaraiko izay nataony tamiko.

17Izy no nantsoin’ny vavako

ary ny fanandratana Azy no teo ambanin’ny lelako.

18Raha toa ka nankasitraka ota tao am-poko aho

dia tsy mba ho nihaino ny Tompo;

19kanefa nihaino tokoa Andriamanitra

nanongilan-tsofina tamin’ny feon’ny vavaka nataoko Izy.

20Isaorana anie Andriamanitra

izay tsy nandà ny vavaka nataoko

na nanaisotra ny famindrampony tamiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help