Salamo 46 - Malagasy Protestant Bible 2011

NY TOMPO no momba antsikaHo an’ny mpiventy hira. Nataon’ny Koraìta. Al-alamot. Tononkira.

1Andriamanitra no fialofana sy hery ho antsika;

Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy.

2Koa izany no tsy atahorantsika na dia mihovotrovotra aza ny tany,

na dia mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra,

3na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany

ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. Fiatoana

4Misy ony iray, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’Andriamanitra,

fonena-masin’ny Avo Indrindra;

5Andriamanitra no eo afovoany ka tsy mba hihetsika akory izy;

Andriamanitra no hamonjy azy rehefa madiva ho maraina ny andro.

6Mitabataba ny firenen-tsamihafa, mikorontana ny fanjakana maro;

mamoaka ny feony Izy ka niempo ny tany.

7Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika,

Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana

8Avia, jereo ny asan’NY TOMPO,

fa mahatonga faharavana etỳ ambonin’ny tany Izy.

9Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany Izy,

mamotipotika ny tsipìka sy manapaka ny lefona Izy

ary mandoro ny sarety amin’ny afo.

10Mitsahara ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra!

Hisandratra amin’ny firenen-tsamihafa Aho, hisandratra amin’ny tany Aho.

11Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no momba antsika,

Andriamanitr’i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. Fiatoana

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help