1Sambatra izay rehetra matahotra NY TOMPO,
dia izay mandeha amin’ny lalany.
2Fa hohaninao tokoa ny vokatry ny asan’ny tananao;
sambatra sady ambinina ianao.
3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra
ao anatin’ny tranonao;
ny zanakao dia tahaka ny zanak’oliva
manodidina ny latabatrao.
4Indro, toy izany no hitahiana
izay lehilahy matahotra NY TOMPO.
5Hitahy anao avy any Ziona anie NY TOMPO;
ary ho faly hahita ny fahasoavan’i Jerosalema anie ianao
amin’ny andro rehetra iainanao.
6Eny, hahita ny zafinao anie ianao.
Fiadanana anie ho amin’ny Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.