Zakaria 8 - Malagasy Protestant Bible 2011

Teny fikasana ny hisian’ny fiadanana sy taon-jina

1Ary tonga ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe:

2Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Saro-piaro dia saro-piaro ny amin’i Ziona Aho,

eny, saro-piaro ny aminy, amin’ny fahatezerana mafy Aho.

3Izao no lazain’NY TOMPO:

Efa tafaverina eto Ziona Aho

ka honina eto afovoan’i Jerosalema;

ary i Jerosalema dia hatao hoe Tanànan’ny fahamarinana,

ary ny tendrombohitr’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, dia hatao hoe Tendrombohitra masina.

4Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Mbola hisy lahiantitra sy vaviantitra

hipetraka eny amin’ny kianja malalaka ao Jerosalema,

samy hanana tehina eny an-tanany noho ny fahanterany;

5ary ny kianja malalaka ao amin’ny tanàna

dia ho feno ankizilahy madinika sy ankizivavy madinika

milalao eny amin’ny kianja.

6Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Raha mahagaga izany

eo imason’ny sisa tavela amin’ity firenena ity amin’izany andro izany,

moa hahagaga eo imasoko koa va?

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

7Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Indro, mamonjy ny oloko

avy any amin’ny tany atsinanana sy avy any amin’ny tany andrefana Aho;

8hitondra azy Aho

ka honina ao afovoan’i Jerosalema izy;

dia ho oloko izy,

ary Izaho kosa ho Andriamaniny

amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana.

9Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Aoka hatanjaka ny tananareo,

dia ianareo izay mandre izany teny izany amin’izao andro izao,

avy amin’ny vavan’ny mpaminany

izay teo tamin’ny andro nanaovana ny fanorenan’ny tranon’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

mba hanorenana ny tempoly.

10Fa talohan’izany andro izany

dia tsy nisy valin-kasasarana ho an’ny olona,

na valim-pahasasarana ho an’ny biby fiompy;

ary tsy nisy fiadanana ho an’izay nivoaka sy izay niditra

noho ny fahavalo,

fa nalefako hifamely amin’ny namany avy

ny olona rehetra.

11Fa amin’izao kosa

dia tsy ho toy ny tamin’ny fahiny intsony

amin’ny sisa amin’ity firenena ity Aho,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.

12Fa hamafy amin’ny fiadanana ny olona:

Ny voaloboka dia hamoa,

ny tany dia hahavokatra,

ny lanitra dia hampilatsaka ny andony

ary ny sisa amin’ity firenena ity

no hampandovaiko izany rehetra izany.

13Ary toy ny nahatonga anareo ho fanozonana tany amin’ny Jentilisa,

ry taranak’i Joda sy ry taranak’Israely,

dia ho toy izany no hamonjeko anareo

ka ho tonga fitahiana kosa ianareo.

Aza matahotra

fa mahereza ianareo!

14Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Toy ny nisainako hahatonga loza aminareo

tamin’ny nampahatezeran’ny razanareo Ahy,

hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

ary tsy nanenina Aho,

15dia ho toy izany kosa no niovako hevitra

ka nisainako

hanisy soa an’i Jerosalema sy ny taranak’i Joda amin’izao andro izao.

Aza matahotra ianareo!

16Izao no zavatra hataonareo:

Samia miteny marina amin’ny namany avy ianareo;

mitsarà marina, eny, mitsarà hahatonga fiadanana ao am-bavahadinareo;

17ary aza misy mieritreritra ao am-ponareo hanisy ratsy ny namanareo ianareo

ary aza tia fianianana mandainga;

fa izany rehetra izany dia halako,

hoy NY TOMPO.

Ho tonga andro fifaliana ny andro fifadian-kanina

18Ary tonga tamiko ny tenin’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao hoe:

19Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Ny fifadian-kanina amin’ny volana fahefatra, ny fifadian-kanina amin’ny volana fahadimy,

ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafito ary ny fifadian-kanina amin’ny volana fahafolo,

dia samy ho tonga fifaliana sy firavoravoana ary fotoana mahafinaritra avokoa

ho an’ny taranak’i Joda.

Fa aoka ianareo ho tia ny fahamarinana sy ny fiadanana.

20Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao:

Mbola hisy firenena

sy mponina avy amin’ny tanàna maro ho tonga;

21ary ny mponina ao amin’ny tanàna iray dia hankany amin’ny tanàna iray hafa ka hiteny hoe:

Aoka handeha tokoa isika hifona amin’NY TOMPO

sy hitady an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao!

Izaho koa dia mba handeha!

22Eny, ho avy ny olona maro

sy ny firenena mahery mba hitady an’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, any Jerosalema

sy hifona amin’NY TOMPO.

23Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Amin’izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena samihafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ny Jiosy iray ka hiteny hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay, fa renay fa momba anareo Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help