Jeremia 12 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Raha mifandahatra aminao aho, TOMPO ô, dia Ianao no marina;

nefa aoka ihany kosa aho mba handahatra Aminao:

Nahoana ary no ambinina ny lalan’ny ratsy fanahy?

Nahoana no miadana

ny mpikomy rehetra?

2Nambolenao izy

ka mamaka;

mitombo izy

ka mamoa;

manakaiky Anao amin’ny vavany izy

nefa manalavitra Anao amin’ny fony.

3Fa Ianao, TOMPO ô, no mahalala ahy; mahita ahy Ianao

sady mizaha toetra ny foko, fa ao Aminao izy.

Avaho toy ny ondry hovonoina ireny

ary atokàny ho amin’ny andro hamonoana azy.

4Mandra-pahoviana no hisaonan’ny tany sy hahalazoan’ny ahitra eny amin’ny saha rehetra? Noho ny faharatsian’ny mponina any dia lany ringana ny biby sy ny vorona; fa hoy ireo: Tsy mba mahita izay hoavintsika Izy.

5Raha niara-nihazakazaka tamin’izay mpandeha an-tongotra ianao

ka tsy naharaka azy

dia hataonao ahoana no fihaika ny soavaly?

Ary raha eny amin’ny tany mandry fahalemana ihany

no anananao toky

dia hanao ahoana kosa ianao, raha tonga any amin’ny kirihitrala eny amoron’i Jordana?

6Fa na dia ny rahalahinao sy ny mpianakavin’ny rainao aza dia samy namitaka anao; eny, niantso mafy tao aoriananao ireo. Aza mino azy, na dia tsara fiteny aminao aza izy ireo.

Mandao ny tempoliny sy ny vahoakany Andriamanitra

7Nilaozako ny tranoko,

nafoiko ny lovako;

ny sombin’aiko

dia natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony.

8Amiko, ny lovako

dia efa toy ny liona any anaty ala;

mierona Amiko izy

ka halako.

9Moa tahaka ny vorona mpihaza hafahafa volo Amiko va ny lovako,

no mivory manodidina azy ny vorona mpihaza?

Avia ka angony ny bibidia rehetra,

ampanatony ireny hihinana.

10Mpitondra maro no nanimba ny tanim-boaloboko,

nohitsakitsahiny ny anjarako;

nataony tany efitra lao

ny anjarako mahafinaritra.

11Nataony lao izany, eny, lao izy

ka nitomany teo anatrehako;

nataony lao avokoa

ny tany rehetra

satria tsy nisy nandatsaka am-po.

12Ny mpandrava dia tonga

any amin’ny tendrombohitra mangadihady rehetra any an-tany efitra;

fa misy sabatry NY TOMPO mandringana hatrany amin’ny faran’ny tany ka tsy misy fiadanana ho an’ny nofo rehetra.

13Vary no nafafiny,

nefa tsilo no nojinjainy;

nanasatra ny tenany izy, kanjo herim-po very maina izany;

dia hangaihay noho ny zavatra azonareo ianareo

noho ny firehetan’ny fahatezeran’NY TOMPO.

NY TOMPO sy ireo mifanakaiky sisintany amin’ny Israely

14Izao no lazain’NY TOMPO ny amin’ireo firenena ratsy fanahy rehetra mifanakaiky sisintany amin’ny oloko ireo, dia izay mikasikasika ny tany nomeko ho lovan’ny Israely oloko: Indro, hongotako tsy ho amin’ny taniny ireo ary ny taranak’i Joda koa dia hongotako tsy ho eo aminy.

15Nefa nony efa voaongotra izy dia hamindra fo aminy indray Aho ka samy hoentiko mody any amin’ny lovany sy ny taniny avy indray izy.

16Koa raha mba nianatra ny fanaon’ny oloko tokoa ireo ary hianiana amin’ny anarako hoe: Velona NY TOMPO, tahaka ny nampianaran’ireo ny oloko hianiana amin’ny Baala, dia haorina ao amin’ny oloko izy.

17Fa raha tsy hankatò kosa izy dia hongotako izany firenena izany, eny, hongotako sy haringako izy, hoy NY TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help