Eksodosy INDRAY MIJERY - Malagasy Protestant Bible 2011

INDRAY MIJERYNy votoatin’ny BokyNy hoe Eksodosy dia midika hoe Lalana mivoaka. Milaza ny nivoahan’ny Zanak’Israely avy tany Ejipta izany. Rehefa nitoetra taonjato maro teny Ejipta ny Zanak’Israely dia nandevozin’ny mpanjakan’i Ejipta. Nitaraina tamin’Andriamanitra izy dia nohenoiny ny fitarainany ka niditra an-tsehatra Andriamanitra namonjy sy nanafaka azy tamin’ny alalan’ny fahagagana maro. Ny lehibe indrindra tamin’ireny dia ny Paska sy ny fitàna ny Ranomasina Mena. I Mosesy no fiasana teo am-pelatanan’Andriamanitra tamin’izany fanafahana izany.Notarihin’Andriamanitra namakivaky ny tany efitra ny Zanak’Israely mba hampianarana azy hiankina tanteraka Aminy. Tao an-tendrombohitra Sinay no nanomezany azy ny Didiny izay fepetran’ny fanekena: NY TOMPO no nanafaka azy tamin’ny fahandevozana; noho izany dia Izy no ho Andriamanitra tokana hotompoin’ny Israely, ary ny Israely kosa dia hanaraka ny didiny rehetra. Vetivety anefa dia nivadika ny Israely ka nanompo sarin-janak’omby volamena. Nirehitra taminy ny fahatezeran’Andriamanitra. Tatỳ aoriana dia nohavaozin’Andriamanitra ny fanekena.Voalaza ato amin’ny Boky koa ny nananganana ny tabernakely na ny tranolay fihaonana, koa rehefa tafatsangana izany dia niseho ny voninahitr’Andriamanitra, izay maneho fa eo afovoan’ny olony IzyNy firafitry ny BokyNy fanandevozana sy ny fanafahana ny Zanak’IsraelyNy Zanak’Israely tany Ejipta: 1Ny fahatanoran’i Mosesy sy ny fiantsoan’Andriamanitra azy: 2–7.7Ireo loza tany Ejipta sy ny Paska: 7.8–13.16Ny fialana tany Ejipta: 13.17–15.21Ny dia namakivaky ny tany efitra: 15.22–18.27Ny fanekena tao Sinay: 19–24Ny fanorenan’Andriamanitra ny fonenany eo anivon’ny Zanak’IsraelyNy fanomanana ny fananganana ny tabernakely: 25–31Ny zanak’omby volamena sy ny nanavaozana ny fanekena: 32–34Ny fananganana ny tabernakely: 35–40
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help