1Ny tenin’i Lemoela mpanjaka. Teny mavesa-danja izay nampianarin’ny reniny azy.
2Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako?
Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko?
3Aza omena ny vehivavy ny herinao,
ary aza mandeha amin’ny lalana izay mahavery mpanjaka.
4Tsy mety amin’ny mpanjaka, ry Lemoela,
eny, tsy mety amin’ny mpanjaka ny misotro divay,
na amin’ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka,
5fandrao raha misotro izy dia hanadino ny lalàna
ka mamily ny fitsarana ny olona ory.
6Omeo toaka izay efa ho faty,
eny, divay ho an’izay azon’ny fangidiam-panahy;
7aoka hisotro izy mba hanadinoany ny fahantrany
ary tsy hahatsiarovany intsony ny fahasahiranany!
8Sokafy ny vavanao hisolo ny moana
mba hahazoan’izay rehetra resin’ny adim-piainana ny rariny.
9Sokafy ny vavanao ka mitsarà amin’ny fahamarinana
ary omeo rariny ny ory sy ny mahantra.
Ny vehivavy mahafatra-poalef א10Iza no mahita vehivavy mahafatra-po?
Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy.
bet ב11Matoky azy ny fon’ny lahy
ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy.
gimel ג12Soa no ataon-dRavehivavy aminy fa tsy ratsy,
amin’ny andro rehetra iainany.
dalet ד13Mizaha volon’ondry sy kofehy rongony izy
ary mazoto miasa amin’ny tanany.
he ה14Toy ny sambon’ny mpivaro-mandeha izy
ka avy lavitra no itondrany ny haniny.
vav ו15Mifoha izy raha mbola alina
ka manome hanina ho an’ny ankohonany
ary manome anjara ho an’ny mpanompovaviny.
zaìn ז16Mihevitra saha izy ka mahazo azy;
ny vokatry ny tanany no anaovany tanim-boaloboka.
het ח17Misikina hery izy
ary hatanjahiny ny sandriny.
tet ט18Hitany fa tsara ny tombom-barony
ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy.
yod י19Mandray ny hazo fihazonam-bohavoha izy
ary ny tanany dia mihazona ny ampela.
kaf כ20Manatsotra ny tanany amin’ny ory izy,
eny, mamelatra ny tanany amin’ny mahantra.
lamed ל21Tsy manahy ny orampanala ho amin’ny ankohonany izy
fa ny ankohonany rehetra dia samy voatafy volon’ondry jaky avokoa.
mem מ22Manao firakotra ho azy izy;
ny fitafiany dia vita amin’ny lamba rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy.
non נ23Ny lahy dia hajaina eo amin’ny vavahady
rehefa miara-mipetraka amin’ny loholona.
samek ס24Manamboatra akanjo hariry madinika Ravehivavy ka mivarotra izany
ary fehikibo no amidiny amin’ny mpivaro-mandeha.
aìn ע25Hery sy voninahitra no fitafiny
ary ny andro ho avy dia ihomehezany.
pe פ26Miteny amin’ny fahendrena izy
ary fampianarana feno hatsaram-panahy no eo am-bavany.
tsade צ27Mitandrina tsara ny ataon’ny ankohonany izy
ary tsy homana ny mofon’ny fahalainana.
kof ק28Ny zanany mitsangana ka midera azy ho sambatra;
ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe:
resh ר29Maro ny zazavavy nanao soa,
fa manoatra noho izy rehetra ianao.
shin שׁ30Fitaka ny hatsaram-bika ary zava-poana ny hatsaran-tarehy,
fa ny vehivavy matahotra NY TOMPO ihany no hoderaina.
tav ת31Omeo azy ny avy amin’ny vokatry ny tanany
ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady!
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.