Isaia 53 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Iza no nino ny teny nampitondraina anay?

Ary iza no nampisehoana ny sandrin’NY TOMPO?

2Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy,

sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina;

tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy Izy;

ary raha nijery Azy isika

dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.

3Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy;

lehilahy ory

sady zatra fijaliana,

tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy;

natao tsinontsinona Izy

ka tsy mba nahoantsika.

4Nitondra ny aretintsika tokoa Izy

sady nivesatra ny fanaintainantsika,

kanjo isika kosa dia nihevitra Azy ho nokapohina

sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina.

5Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika

sy notorotoroina noho ny helotsika;

ny famaizana nahazoantsika fihavanana no nihatra Taminy;

ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika.

6Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry,

samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra;

ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.

7Nampahorina Izy,

nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava,

tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina,

sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy;

Eny, tsy niloa-bava Izy.

8Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy;

ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra

fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy

ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy?

9Natao tao amin’ny olon-dratsy ny fasany,

ary teo amin’ny mpanankarena ny toerana nandevenana Azy

na dia tsy nanao ratsy aza Izy

sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.

10Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy;

rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy

dia hahita taranaka

sady ho maro andro,

ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO.

11Noho ny fisasaran’ny fanahiny

dia hahita mazava Izy

ka ho afa-po.

Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro,

ary Izy no hivesatra ny helok’ireo.

12Noho izany dia hanome Azy anjara amin’ny maro Aho

ary hizara babo amin’ny mahery Izy,

satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy,

ary natao ho isan’ny mpanota Izy;

eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro

sady nanao fifonana ho an’ny mpanota.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help