Ohabolana 18 - Malagasy Protestant Bible 2011

1Izay mitokantokana dia mitady ny mahafinaritra ny tenany ihany;

misafoaka manohitra izay hevitra mahasoa rehetra izy.

2Ny adala dia tsy mba finaritra amin’ny fahalalana

fa ta haneho izay ao am-pony.

3Raha avy ny ratsy fanahy dia avy ny fanamavoana,

ary miaraka amin’ny fahafaham-baraka ny henatra.

4Rano lalina ny teny aloaky ny vavan’ny olona

ary rano miboiboika ny loharanon’ny fahendrena.

5Tsy mety ny manohana ny ratsy fanahy

mba handresena ny marina amin’ny fitsarana.

6Ny molotry ny adala dia miteraka ny fifandirana

ary ny teny ataony dia mihantsy fifamelezana.

7Ny tenin’ny adala no fandringanana azy

ary ny molony ihany no fandriky ny tenany.

8Ny tenin’ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py

ka mikorotsaka hatrany anaty rehetra any.

9Izay malaina amin’ny asany

dia rahalahin’ny mpanimba zavatra.

10Ny anaran’NY TOMPO dia tilikambo mafy;

ny marina mihazakazaka mankao aminy ka tsy misy mahakasika azy.

11Ny harenan’ny mpanankarena no tanànany mafy

ary araka ny fiheviny dia toa manda avo erỳ izany.

12Ny fireharehan’ny fon’ny olona dia mialoha ny faharavana,

fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.

13Izay mamaly teny mbola tsy re

dia hadalana sy henatra ho an’ny tenany izany.

14Ny fanahin’ny olona dia mampahery azy ao anatin’ny aretiny,

fa raha ny fanahy no kivy, iza indray no hanohana azy?

15Ny fon’ny manan-tsaina mikatsaka fahalalana

ary ny sofin’ny hendry mitady izany.

16Ny fanomezana ataon’ny olona dia manalalaka ny alehany

hahatonga azy eo anatrehan’ny lehibe.

17Izay mandahatra aloha no toa marina,

fa nony avy kosa ny an-daniny dia mitaky porofo aminy.

18Ny fanaovana antsapaka dia mampitsahatra ady

ary mampisaraka ny samy mahery.

19Ny manatona rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny mahazo vohitra mafy

ary ny fifandirana dia tahaka ny hidin’ny lapan’ny mpanjaka.

20Ny vokatry ny tenin’ny olona no mahavoky ny kibony,

eny, ny vokatry ny molony no mahavoky azy.

21Ny mahafaty sy ny mahavelona dia samy hain’ny lela,

koa izay tia azy dia hihinana ny vokany.

22Izay lehilahy mahazo vady dia mahazo hasambarana

sady mahita sitraka amin’NY TOMPO.

23Fitarainana no ataon’ny mahantra,

fa ny mpanankarena dia mamaly amin’ny teny mahery.

24Misy sakaiza izay mitondra amin’ny fahoriana,

fa misy kosa sakaiza tia, izay mifikitra mafy noho ny rahalahy aza.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help