Hosea 5 - Malagasy Protestant Bible 2011

Fampitandremana ho an’ny mpisorona sy ny mpanjaka

1Henoinareo izao, ry mpisorona!

Mihainoa, ry taranak’Israely!

Atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin’ny mpanjaka,

fa ianareo no hiharan’ny fitsarana

satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo

ary fandrika harato voavelatra ao Tabara.

2Misy mpivadika fatra-mpamono,

fa Izaho kosa dia famaizana ho azy rehetra.

3Izaho dia mahalala an’i Efraima

ary tsy miafina Amiko Israely;

ankehitriny ianao, ry Efraima,

dia tonga mpijangajanga

ka voaloto Israely.

4Tsy avelan’ny ataony hiverina amin’Andriamanitra izy

satria ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny

ary tsy mahalala NY TOMPO izy.

5Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’ny Israely;

ho lavon-keloka Israely sy i Efraima;

hiara-lavo amin’izy ireo koa i Joda.

6Hitondra ny omby aman’ondriny izy ka handeha hitady NY TOMPO

nefa tsy hahita Azy

satria NY TOMPO efa niala taminy.

7Nivadika tamin’NY TOMPO izy ireo

satria niteraka zazasary;

ankehitriny dia ho levonin’ny voaloham-bolana izy mbamin’ny anjara lovany.

Ny adin’i Efraima sy i Joda

8Tsofy ao Gibea ny anjomara

ary ao Rama ny trompetra!

Miantsoantsoa mafy ao Bety-Avena!

Jereo ao aoriananao ry Benjamina!

9Ho lao i Efraima raha tonga amin’ny andro fanamelohana.

Zavatra tsy maintsy ho to no nampahafantariko teo amin’ireo fokon’ny Israely.

10Ny mpanapaka an’i Joda

dia efa tonga toy izay mamindra ny fetran’ny faritany,

koa ireo no hampidinako

ny fahatezerako toy ny riaka.

11Ampahoriana i Efraima

sady voatorotoron’ny fitsarana

satria ninia nanaraka zava-poana izy.

12Koa amin’i Efraima Aho dia tahaka ny kalalao

ary amin’ny taranak’i Joda dia toy ny fahalovana.

13Hitan’i Efraima ny aretiny

ary hitan’i Joda ny feriny;

dia nankany Asiria i Efraima;

eny, nandefa iraka ho any amin’i Jareba mpanjaka izy;

nefa sady tsy mahasitrana anareo izy

no tsy mahatsabo ny ferinareo,

14satria amin’i Efraima dia tahaka ny liona Aho,

ary amin’ny taranak’i Joda dia tahaka ny liona tanora.

Izaho dia Izaho no mamiravira dia lasa mandeha.

Lasako izy ka tsy misy mahavonjy.

Tapa-kevitra hiala Andriamanitra

15Handeha hody any amin’ny fitoerako Aho

ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako.

Hitady Ahy fatratra izy rehefa azom-pahoriana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help