Fitomaniana 5 - Malagasy Protestant Bible 2011

Avereno aminao izahay

1TOMPO ô, tsarovy izay nanjo anay;

hevero sy diniho ny latsa mahazo anay.

2Ny lovanay dia afindra ho an’ny vahiny,

ary ny tranonay dia ho an’ny olona tsy fantatra.

3Efa kamboty izahay ka tsy manan-dray,

ny reninay dia toy ny mpitondratena.

4Na ny loharanonay aza dia andoavanay vola vao azonay isotroana,

ary ny kitainay koa dia vidinay vao azo.

5Noraisin’ireo nanenjika anay tamin’ny hatokay izahay;

reraka izahay nefa tsy manam-pitsaharana.

6Nanolo-tanana tamin’ny Ejiptiana

sy ny Asiriana izahay mba ho voky mofo.

7Nanota ny razanay; tsy etỳ intsony izy ireo;

ary izahay no mivesatra ny helony.

8Andevo no mifehy anay;

tsy misy manafaka anay amin’ny tanany.

9Noho ny sabatra mamely any an-tany efitra

dia manao vy very ny ainay izahay vao mahazo hanina.

10Mahamay toy ny fatana ny hoditray

noho ny fivaivain’ny mosary.

11Nosavihina ny vehivavy tao Ziona

sy ny virijiny tao amin’ny tanànan’ny Joda.

12Nahantona tamin’ny tanany ny lehibe

ary tsy mba nohajaina ny antitra.

13Ny zatovo dia nitondra ny fikosoham-bary

ary ny ankizy madinika dia nivembena nitondra ny kitay.

14Ny loholona dia tsy misy eo am-bavahady

ary ny zatovo dia tsy mitendry zavamaneno intsony.

15Ny hafalian’ny fonay dia nitsahatra

ary ny dihinay dia niova ho fitomaniana.

16Efa afaka ny satroboninahitra tamin’ny lohanay;

idiran-doza izahay fa efa nanota!

17Noho izany dia reraka ny fonay;

eny, noho izany dia maizina ny masonay,

18noho ny amin’ny tendrombohitra Ziona izay efa lao

sady ikarenjen’ny amboahaolo.

19TOMPO ô, Ianao no mipetraka mandrakizay;

eny, ny sezafiandriananao no maharitra hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.

20Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakariva

sy ahafoizanao anay andro lava?

21TOMPO ô, ampivereno aminao izahay mba hiverenanay;

havaozy ho toy ny fahiny ny andronay.

22Moa dia nanary anay tokoa va Ianao

sady tezitra mafy aminay?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help