Joba 7 - Malagasy Protestant Bible 2011

Tohin’ny teny navalin’i Joba: Mitaraina ny amin’ny ataon’Andriamanitra izy

1Tsy mpiantafika va ny zanak’olombelona etỳ ambonin’ny tany?

Ary tsy tahaka ny andron’ny mpikarama va ny androny?

2Toy ny mpanompo maniry alokaloka

ary toy ny mpikarama miandry ny karaman’ny asany,

3dia toy izany no nanaovana ny volana mampahory ho lovako

ary ny alina mahadisadisa ho anjarako.

4Raha vao mandry aho dia mieritreritra hoe:

Rahoviana re aho no hifoha?

Fa mihalava ny alina

ary tsy mitsahatra mivadibadika aho mandra-pahazava ny andro.

5Ny nofoko dia mitafy olitra sy takompery toy ny baingan-tany;

tonga vakivaky ny hoditro sady mitsiranorano.

6Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko

ka lany tsy misy fanantenana!

7Tsarovy fa tso-drivotra ny aiko!

Tsy hahita soa intsony ny masoko.

8Tsy hahita ahy intsony ny mason’izay mijery ahy.

Hizaha ahy ny masonao nefa tsy ho eo aho.

9Tahaka ny rahona misava ka levona,

dia tahaka izany koa, izay midina any amin’ny fitoeran’ny maty, dia tsy mba hiakatra intsony;

10tsy hiverina any an-tranony intsony izy

ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.

11Ary izaho dia tsy hamehy vava

fa hiteny noho ny fahorian’ny fanahiko

sy hitaraina noho ny fangidian’ny foko.

12Ranomasina va aho sa trozona

no dia asianao fiambenana?

13Raha hoy aho: Hampionona ahy ny farafarako,

hampitony ny fitarainako ny fandrianako,

14dia mampitahotra ahy amin’ny nofy Ianao

ary mampihorohoro ahy amin’ny fahitana.

15Koa aleoko hokendaina;

eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izao taolako mitrakitraky izao!

16Maharikoriko ahy izao! Tsy ho ela velona aho!

Avelao amin’izao aho fa fofona foana ny androko.

17Inona moa ny zanak’olombelona

no isahirananao

ka ikarakaranao azy fatratra?

18Sady vangianao isa-maraina izy

no zahanao toetra isaky ny indray mipy maso?

19Oviana re no hihodina tsy hijery ahy Ianao

ka hiala amiko mba hahazoako mitelin-drora?

20Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona?

Nahoana no dia nataonao fikendry aho

ka tonga enta-mavesatra amiko ny tenako?

21Nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Ianao?

Fa izao dia efa handry any amin’ny vovoka aho;

hitady ahy fatratra Ianao nefa tsy hisy intsony aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help