Salamo 106 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny fivadihan’ny Israely sy ny famindrampon’Andriamanitra

1 Haleloia.

Miderà NY TOMPO fa tsara Izy;

fa mandrakizay ny famindrampony.

2Iza no mahalaza ny asa lehibe ataon’NY TOMPO,

na mahatonona ny fiderana Azy rehetra?

3Sambatra izay mitandrina ny rariny

ka mitandro mandrakariva ny marina.

4TOMPO ô, tsarovy aho araka ny fankasitrahanao ny olonao;

vangio amin’ny famonjenao aho,

5hahitako ny soa azon’ny voafidinao,

hifaliako amin’ny fifalian’ny firenenao,

hiravoravoako miaraka amin’ny lovanao.

6Efa nanota izahay mbamin’ny razanay,

efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.

7Tsy mba nandinika ny fahagagana nataonao ny razanay tany Ejipta;

tsy mba nahatsiaro

ny habetsahan’ny famindramponao ireny

fa nikomy teo amoron-dranomasina, dia teo amoron’ny Ranomasina Mena.

8Kanefa namonjy azy ihany Izy noho ny anarany

mba hampahafantarany ny asany lehibe.

9Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena ka tonga maina

ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny tany efitra Izy.

10Namonjy azy tamin’ny tanan’ny mpandrafy Izy

ary nanavotra azy tamin’ny tanan’ny fahavalo.

11Dia nosaronan’ny rano kosa ny rafiny

ka tsy nisy niangana na dia iray akory aza.

12Dia nino ny teniny izy

ka nihira ny fiderana Azy.

13Nalaky nanadino ny asany anefa izy

ka tsy niandry ny saina hatolony,

14fa fatra-pitsiriritra tany an-tany efitra izy

sady naka fanahy an’Andriamanitra tany an-tany foana.

15Dia nomeny azy izay nangatahiny

kanefa nataony mahia izy.

16Dia nialona an’i Mosesy tany an-toby izy ireo

sady nialona an’i Arona, olo-masin’NY TOMPO.

17Nisokatra ny tany dia nitelina an’i Datana

ka nanarona ny antokon’i Abirama.

18Dia nisy afo nirehitra tamin’ny antokony;

lelafo no nandoro ny ratsy fanahy.

19Nanao ombilahy kely tany Horeba izy

ka niankohoka teo anoloan’ny sarin-javatra voarendrika.

20Ary ny voninahiny dia natakalony

sarin’omby homana ahitra.

21Nohadinoiny Andriamanitra, mpamonjy azy,

izay efa nanao zava-dehibe tany Ejipta,

22dia fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama

sy zava-mahatahotra teo amin’ny Ranomasina Mena.

23Ary nilaza handringana azy Izy

raha tsy i Mosesy voafidiny

no nandroso hijoro tamin’ny banga teo anatrehany,

hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy.

24Nanamavo ny tany mahafinaritra ireo

sady tsy mba nino ny teniny

25fa nimonomonona tany an-dainy

ka tsy nihaino ny feon’NY TOMPO.

26Dia nananga-tanana taminy Izy

fa hampiampatrampatra azy any an-tany efitra

27ary ny taranany kosa dia any amin’ny Jentilisa,

ary hampihahakahaka azy any amin’ny tany maro Izy.

28Nikambana tamin’i Baala-Peora ireo

ka nihinana ny fanatitra ho an’ny maty.

29Nampahatezitra NY TOMPO tamin’ny nataony ireo

ka namely azy tampoka ny areti-mandringana.

30Fa nitsangana nandroso i Finehasa ka nandamina

dia nitsahatra ny areti-mandringana.

31Ary nisaina ho fahamarinany izany

hatramin’ny taranaka fara aman-dimby mandrakizay.

32Nampahatezitra NY TOMPO teo anilan’ny ranon’i Meriba ireo

ka nisy nanjo an’i Mosesy noho ny nataon’ireo;

33satria nikomy tamin’ny Fanahin’NY TOMPO ireo

dia nanao teny tsy voahevitra i Mosesy.

34Tsy naringan-dry zareo ny firenena

izay nasain’NY TOMPO naringany;

35fa nifangaro tamin’ny Jentilisa izy

ka nianatra ny fanaony.

36Nanompo ny sampiny izy

ka tonga fandrika ho azy izany.

37Namono ny zanany lahy

sy ny zanany vavy ho fanatitra ho an’ny demonia ireo;

38eny, nandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny izy,

dia ny ran’ny zanany lahy sy ny zanany vavy

izay novonoiny ho fanatitra ho an’ny sampin’i Kanana;

koa nandoto ny tany tamin’ny ra izy.

39Naloto tamin’ny asany izy

ary nahatonga azy ho nijangajanga ny nataony.

40Nirehitra tamin’ny olony ny fahatezeran’NY TOMPO

ka nataony ho zava-betaveta ny lovany.

41Nanolotra azy teo an-tanan’ny Jentilisa Izy

ka izay nankahala azy no nanapaka taminy.

42Nampahory azy ny fahavalony

ka naetry teo ambanin’ny tanany izy.

43Matetika Izy no nanafaka azy;

fa ireo kosa dia tsy nisaina afa-tsy ny hikomy Taminy ihany

ka nihalevona noho ny helony.

44Kanefa nijery ny fahoriany ihany Izy

raha nandre ny fitarainany.

45Nahatsiaro ny fanekeny Izy

ka nanenina araka ny haben’ny famindrampony.

46Nataony nahita famindrampo ireny

tamin’izay rehetra namabo azy.

1Tan 16.35-36

47Vonjeo izahay, RY TOMPO Andriamanitray ô,

ka angony avy amin’ny Jentilisa

mba hisaoranay ny anaranao masina

ka ho reharehanay ny fiderana Anao.

48Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely,

hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay;

ary aoka ny olona rehetra hiteny hoe: Amena!

Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help