Joba 8 - Malagasy Protestant Bible 2011

Teny voalohany nataon’i Bildada: Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisy valiny ny fahadisoana

1Dia nandray fitenenana i Bildada sohita hoe:

2Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao

ka hitsoka toy ny tafio-drivotra ny teny aloaky ny vavanao?

3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana,

na ny Tsitoha va hamadika ny rariny?

4Raha nanota Taminy ny zanakao

dia nampanodiaviny azy ny fahadisoany.

5Fa raha ianao kosa no mandroso mitady an’Andriamanitra

ka mifona amin’ny Tsitoha,

6ary raha madio sy mahitsy ianao,

dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy

ary hampiadana indray ny fonenan’ny fahamarinanao,

7koa na dia kely aza no niandohanao

dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.

8Fa miangavy anao aho, anontanio ange ny Ntaolo,

ka fantaro ny traikefa hitan’ny razany,

9fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala

ary aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin’ny tany.

10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao

ary hamoaka teny avy ao am-pony?

11Haniry va ny zozoro raha tsy eny amin’ny honahona?

Hitrebona va ny harefo raha tsy misy rano?

12Mbola maitso izy sady tsy voajinja,

kanefa malazo alohan’ny zava-maitso rehetra.

13Toy izany no lalan’izay rehetra manadino an’Andriamanitra

ary ho levona ny fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy;

14ho potika ny fanantenany

satria tranon-kala no itokiany.

15Miankina amin’ny tranony izy, kanjo mikoa iny;

mifikitra mafy aminy izy, kanjo tsy mahajoro iny.

16Mitsimoka tsara tandrifin’ny masoandro izy

ary ny rantsany dia misandrahaka eo amin’ny tanimboliny;

17mifelipelika mifaniditra eo amin’ny korontam-bato ny fotony

ary mahazo any anelanelany any.

18Nony fongorany hiala amin’ny fitoerany izy

dia handa azy izany ka hilaza hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.

19Indro, izany ihany no fifalian’ny lalan-kalehany

ary hisy hafa indray mitrebona avy amin’ny vovoka.

20Indro Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny

ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;

21mbola hofenoiny hehy ny vavanao

ary hoby ny molotrao.

22Hitafy henatra izay mankahala anao

ary tsy hisy intsony ny tranolain’ny ratsy fanahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help