Isaia 13 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny loza hanjo an’i Babilona

1Ny loza hanjo an’i Babilona araka ny fahitan’Isaia zanak’i Amoza.

2Manangàna faneva eo an-tampon’izay tendrombohitra mangadihady ianareo,

manandrata feo hiantso azy,

hofahofay tanana izy

mba hiditra amin’ny vavahadin’ireo olo-manankaja!

3Efa nandidy ireo nohamasiniko Aho

sady niantso ny lehilahy mahery fo;

dia ireo mibitaka sy mirehareha

mba hahatanteraka ny fahatezerako.

4Injany ny horakoraka any an-tendrombohitra!

Tahaka ny an’ny vahoaka marobe!

Ny tabataba ataon’ireo fanjakana, ireo firenena maro tafatambatra!

Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

no misafo tafika hiady.

5Avy any amin’ny tany lavitra izy ireo,

avy any amin’ny faravodilanitra;

NY TOMPO sy ireo fitaovam-piadian’ny fahatezerany

no avy handrava ny tany rehetra.

6Midradradradrà ianareo fa antomotra ny Andron’NY TOMPO;

tahaka ny fandravan’ny Tsitoha no fiaviny.

7Noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra,

ary ho kivy ny fon’ny olona rehetra;

8Ho toran-kovitra izy;

fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy;

hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy;

samy ho talanjona izy ka hifampijery;

toy ny nodorana afo ny tarehiny.

9Indro, avy ny Andron’NY TOMPO;

andron’ny loza sy fahavinirana ary firehetan’ny fahatezerana

mba hanafoanana ny tany

sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.

10Fa ny kintan’ny lanitra sy ireo Telonohorefy aza

dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany intsony,

ny masoandro dia ho maizina amin’ny fiposahany

ary ny volana dia tsy hangarangarana.

11Hatsingeriko amin’izao tontolo izao ny faharatsiany,

ary amin’ny ratsy fanahy ny helony;

hatsahatro ny fireharehan’ny mpiavonavona

ary haetriko ny fiavonavonan’ny mpampihorohoro.

12Hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny tena volamena tsy miharo ny olombelona;

eny, mihoatra noho ny volamena tsy miharo avy any Ofira aza.

13Noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra,

ary hihovotrovotra any amin’ny fanorenany ny tany,

noho ny fahatezeran’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,

sy noho ny andro firehetan’ny fahatezerany.

14Dia ho tahaka ny gazela hazaina ny olona,

ary ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpamory

ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy izy;

eny, samy handositra ho any amin’ny taniny avy izy;

15holefonina izay rehetra azo

ary ho lavon’ny sabatra izay rehetra tratra.

16Hotorotoroina eo imasony ny zanany madinika;

hobaboina ny tranony

ary hisy hanolana ny vadiny.

17Indro, hampirisihiko hamely azy ny Mediana

izay tsy miraharaha ny volafotsy

sady tsy mankamamy ny volamena.

18Handripaka ny zatovo ny tsipìkany

ary tsy hamindrany fo izay ateraky ny kibo;

eny, tsy hiantran’ny masony na dia ny zaza aza.

19I Babilona izay ravaky ny fanjakana maro,

tabiha sy reharehan’ny Kaldeana,

dia ho rava tahaka ny nandravan’Andriamanitra an’i Sodoma sy i Gomora;

20Tsy honenana intsony izy,

ary tsy hitoerana intsony

hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.

Tsy hisy mpifindrafindra monina hanorin-day ao,

na mpiandry ondry hampandry ny ondriny;

21fa ny biby any an-tany efitra no hitoetra ao,

ho feno vorondolo ny tranony;

ny aotirisy no hitoetra any

ary ny osilahy no hitsambikimbikina any.

22Ny kary no hifampierona ao an-tranobeny

ary ny amboadia no ho ao amin’ny lapa mirentirenty.

Efa antomotra ny fotoanany

ary tsy hatao ela intsony ny androny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help