Joba 17 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny teny navalin’i Joba (tohiny): Tsy manana fanantenana intsony aho

1Efa ho ritra ny aiko,

efa mitsilopilopy ny androko,

efa miandry ahy ny fasana.

2Eny, mpaneso avokoa no manodidina ahy

ary tsy mamela ahy hahita torimaso ny filany ady amiko.

3Miangavy anao aho, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao;

fa iza moa no hanaiky hiantoka ahy?

4Fa ny fon’ireto dia voahidinao tsy hidiran’ny fahalalana;

koa izany no tsy hanandratanao azy.

5Toy ny lehilahy manasa ny sakaizany hizara fananana izy

nefa pahina ny mason’ny zanany.

6Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ny firenena Izy

ary ny tavako ho fandrora.

7Efa pahina ny masoko noho ny alahelo;

efa toy ny aloka ny rantsambatako rehetra.

8Ankona noho izany ny olona mahitsy

ary ny tsy manan-tsiny dia mihendratra mahita ny mpihatsaravelatsihy.

9Fa ny marina dia mifikitra tsara amin’ny alehany

ary izay madio tanana no hitombo hery.

10Ianareo rehetra ireo, avia! Miverena e!

Tsy mahita olon-kendry eo aminareo aho.

11Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako,

dia izay hevitra nofikirin’ny foko indrindra.

12Ny alina dia ataon’ireny ho antoandro

ary ny mazava dia ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.

13Raha mbola misy antenaiko dia ny fitoeran’ny maty fonenako ihany;

ao amin’ny maizina no hamelarako ny fandrianako.

14Ny fasana no nantsoiko hoe: Ianao ho raiko!

Ary ny kankana: Ianao no reniko sy anabaviko!

15Fa aiza ary ny fanantenako?

Ary iza no mahita azy?

16Midina any amin’ny vavahadin’ny fitoeran’ny maty izany

raha miara-mahita fitsaharana ao amin’ny vovoka izahay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help