Joela 3 - Malagasy Protestant Bible 2011

Handrotsaka ny Fanahiny amin’ny olona rehetra NY TOMPO

1Rehefa afaka izany dia handrotsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho;

dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo,

hanonofy ny zokiolonareo,

ary hahita fahitana ny zatovonareo;

2ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza amin’izany andro izany

dia handrotsahako ny Fanahiko.

3Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho,

dia ra sy afo ary setroka mitankosina.

4Hampodina ho haizina ny masoandro,

ary ho ra ny volana,

alohan’ny hahatongavan’ny Andron’NY TOMPO,

izay sady lehibe no mahatahotra.

5Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’NY TOMPO dia ho afa-mandositra;

fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema

dia hisy sisa afaka,

araka izay voalazan’NY TOMPO,

ary izay antsoin’NY TOMPO dia ho isan’izay sisa velona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help