Isaia 56 - Malagasy Protestant Bible 2011

FIZARANA FAHATELOTrano fivavahana ho an’ny firenena rehetra

1Izao no lazain’NY TOMPO:

Tandremo ny rariny

ary manaova ny marina,

fa efa madiva ho tonga ny famonjeko

ary efa hiseho ny fahamarinako.

2Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany,

ary ny zanak’olona izay mitana izany,

dia izay mitandrina ny Sabata

ka tsy manamavo azy

sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.

3Aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’NY TOMPO tsy hiteny hoe:

Hesorin’NY TOMPO tsy ho isan’ny olony tokoa aho;

ary aoka ny ionòka tsy hiteny hoe:

Indro, hazo maina aho!

4Fa izao no lazain’NY TOMPO:

Ny amin’ny ionòka izay mitandrina ny Sabatako

sy mifidy izay sitrako

ary mitana ny fanekeko,

5dia hanaovako fahatsiarovana sy anarana

ao an-tranoko sy ao anatin’ny mandako izy,

izay tsara lavitra noho ny an’ny zanakalahy sy ny zanakavavy;

fa anarana mandrakizay izay tsy hesorina no homeko azy.

6Ary ny hafa firenena izay manaiky ho an’NY TOMPO

mba hanompo Azy

sy ho tia ny anaran’NY TOMPO

mba ho mpanompony,

dia izay rehetra mitandrina ny Sabata

ka tsy manamavo azy

sady mitana ny fanekeko,

7dia hoentiko ho any amin’ny tendrombohitro masina

ka hampifaliako ao amin’ny tranoko fivavahana;

ny fanatitra dorana manontolo atolony sy ny fanatiny hafa alatsa-dra

dia hankasitrahana eo ambonin’ny alitarako,

satria ny tranoko hatao hoe

Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.

8Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra

izay mamory ny Israely voaroaka:

Mbola hamory ny sasany ho eo aminy koa Aho,

hanampy izay efa voavory ao.

Mpitarika tsy mendrika

9E, ianareo bibidia rehetra, avia hihinana,

dia ianareo biby rehetra any an’ala!

10Jamba avokoa ny mpitiliny,

samy tsy mahalala izy rehetra,

amboa moana avokoa izy rehetra

ka tsy mahavovò;

manonofy izy,

eny, mandry ka tia torimaso.

11Lian-kanina ireny amboa ireny

ka tsy mahalala voky.

Ireny dia mpiandry

tsy mahafantatra na inona na inona.

Samy efa nivily ho amin’ny lalany avy izy rehetra,

samy mankany amin’ny tombontsoany avokoa izy rehetra.

12Avia, ianareo, hoy izy ireny, fa haka divay aho,

aoka hiboboka toaka isika!

Rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany no hataontsika,

fa mbola be dia be ny sisa tavela ao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help