Jeremia 45 - Malagasy Protestant Bible 2011

Ny hafatry NY TOMPO ho an’i Baroka

1Ny teny izay nataon’i Jeremia mpaminany tamin’i Baroka, zanak’i Neria, fony izy nanoratra ireto teny ireto tamin’ny taratasy avy tamin’ny vavan’i Jeremia tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Joiakima, zanak’i Josia, mpanjakan’i Joda:

2Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny aminao, ry Baroka:

3Hoy ianao: Nidiran-doza aho ity fa nampian’NY TOMPO alahelo ny fanaintainako! Efa sasatra ny misento aho ka tsy mahita fitsaharana.

4Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao.

5Mitady zavatra lehibe ho anao va ianao? Aza mitady izany! Fa indro, hahatonga loza ho amin’ny nofo rehetra Aho, hoy NY TOMPO; fa raha ny ainao dia homeko anao ho babonao ihany any amin’izay rehetra halehanao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help